Morondava: Hosoloina PDS izay Ben’ny Tanàna tsy niara-dia tamin’i Andry Rajoelina ?

  • mercredi, 09 janvier 2019 17:30
  • Britto

Hagagana ny an’ny mpihaino ny Radio Fréquence Menabe (RFM) omaly nandre ireo mpanentana fandaharana sy ireo mpanohana an’i Andry Rajoelina nilaza tamim-pahasahiana fa hosoloina PDS izay Ben’ny Tanàna tsy niara-dia tamin’izy ireo.

Olona fidiam-bahoaka mivantana ny Ben'ny Tanàna ka tsy fanosihosena ny demokrasia ve ny fanesorana azy mialoha ny fahataperan'ny fe-potoam-piasana noho ny safidy politikany, hoy ny fanamarihan'ny olona nandre io filazana io tao amin'ity radion'ny depiote MAPAR Hawel Mamod'Ali voafidy eto Morondava ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.