Brickaville: Natao perquisition ny tranon'ny prezida K25 Leriva Manahirana

  • samedi, 29 décembre 2018 11:46
  • Britto

Zandary enin-dahy avy eo an-toerana no tonga tao an-tranon'i Leriva Manahirana, omaly zoma 28 desambra, tokony ho tamin'ny 5ora hariva, hisava.

Tsy nampiseho taratasy ara-pitsarana maniraka ny hanaovana io fisavana io ry zareo raha nanontaniana, fa hoe: baiko avy amin'ny lehibe no tanterahina, fa hoe misy volabe avy amin'i Marc Ravalomanana hanaovana barazy na sakan-dalana amin'ny lalampirenana faha-2 eto Brickaville.

Tsy nanasaro-javatra anefa i Leriva Manahirana, depioten'i Brickaville teo aloha, tamin'ny anaran'ny Tiako i Madagasikara ity, fa navela nanatanteraka ny fisavana izy ireo.

Volan-draikitry ny Fiangonana FJKM eto an-toerana no hany hitan'ireo mpanao fisavana. Tsy nentin'ireo farany anefa izany vola rakitra izany fa najanony, ary lasa izy ireo rehefa tsy nahita zavatra hafa taorian'ny ora iray naharetan'ny fisavana.

"Vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana ny ao Antananarivo, ka tsy famonoana ireo Malagasy havana ve raha izahay no hanana eritreritra hanao barazy eto Brickaville izany. Izaho rahateo Kristianina tsy nobeazina hanao ratsy amin'ny mpiarabelona amiko izany", hoy i Leriva Manahirana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.