Bemanonga-Morondava: Raim-pianakaviana nandavaka lavadrano maty nihotsahan'ny tany

  • samedi, 29 décembre 2018 06:52
  • Britto
  • Sary nomena

Tao Mangily, Kaominina Bemanonga no nitrangan'ity loza ity omaly zoma 28 desambra, tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany maraina.

Nihady lavadrano, manana halalina 10m eo, hanaovana paompy Japy itony, ity Raim-pianakaviana ity no izao tra-doza izao.

Efa tamin'ny roa ora tolakandro vao tafavoaka tao anaty lavaka ny vatany, nampiasana fitaovan'ny BNGRC, saingy indrisy efa tsy nisy aina intsony.

Avy any Malaimbandy no fiavian'ity lehilahy namoy ny ainy ity. Efa maty vady izy. Namela kamboty roalahy izy izao nodimandry izao.

Ao amin'ny anabaviny eo Bemanonga ny razana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.