Mahajanga: Polisy miisa 300 no hahetsika mandritra ny fetin'ny faran'ny taona 2018

  • vendredi, 28 décembre 2018 20:22
  • Britto

Hitandro ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian'ny fety no hiasan'ireto polisy ireto andro aman'alina.

Efa mipetrapetraka ny rindran-damina hametrahana ireto mpitandro ny filaminana ireto, ka misy ampahany hanara-maso ireo tontakely eny amin'ireo toeram-pilanonana maro samihafa. Misy kosa eny amin'ireo toeram-pitsangatsanganana izay betsaka olona mifamezivezy tonga fety tahaka izao.

Misy koa ireo Polisy hidina eny amin'ireo Fokontany mafampana amin'ny tsy fandriampahalemana, ary ireo izay voatendry manokana handrindra ny fifamoivoizana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.