Kaomajia: Dahalo zato lahy mitam-basy tonga manafika, nitsoaka ny mponina

  • vendredi, 28 décembre 2018 14:18
  • Britto

Androany marain’ity zoma 28 desambra 2018 ity, no nisy andian-dahalo zato lahy any ho any, manafika Fokontany maromaro ato amin’ny Kaominina Kaomajia, Distrikan’i Mampikony. Mirohotra mitsoaka miazo ny renivohitry ny Distrika avokoa ny mponina, manavotr’aina.

Fokontany efatra ao amin’ity Kaominina ity no notafihin’ny dahalo ny 19 desambra, androm-pifidianana ka tsy afaka nandatsa-bato ny olona.

Nisy solontenan’ny kandida filoham-pirenena Marc Ravalomanana nikasa hidina tany Kaomajia androany, hanangona porofo tamin’ny tsy nahatontosa fifidianana tamin’ireo Fokontany notafihin’ny dahalo tany an-toerana tamin’ny 19 desambra, saingy voatery niverin-dalana noho io fanafihan-dohalo niseho io.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.