Tolagnaro: Mpikambana K25 maratra mafy nisy nitifitra

  • jeudi, 20 décembre 2018 10:19
  • Britto
  • Sary nindramina

Teny an-dalana hamonjy fodiana i Ratovonony Tina Angelo no nisy nitifitra androany tamin'ny 2 ora maraina rehefa avy nanatitra ekipa K25 nitondra voka-pifidianana tao amin'ny Vaomiera mpanisa vato (SRMV) Tolagnaro.

Nitondra fiara i Angelo no nisy roalahy nanaraka azy tamin'ny moto ary nikapokapoka ny fiara nentiny, nony tonga teny Esokaka misy ny foneny. Vao nijanona ka nivoaka ny fiara izy dia herisetra nitohy tamin'ny tifitra no nanjo azy.

Voa teo amin'ny andilany izy ary tafavoaka ny vatany ny bala.

Miandry fiaramanidina hitondrana azy hotsaboina any Antananarivo ny fianakaviany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.