Fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa: Raràn’ny lalàna ny tsapan-kevitra amin’ny andron’ny fifidianana

  • mardi, 18 décembre 2018 13:59
  • Britto

Nanao fanambarana ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI), mampahafantatra ny besinimaro fa « tsy nahazo alalana mihitsy avy amin’ny CENI ny EXIT POLL/ SAFIDIKO MADAGASCAR, hanatanteraka tsapan-kevitra (na sondage) amin’ireo olompirenena avy nandatsa-bato avy ao amin’ny biraom-pifidianana.

Mba hiarovana ny tsiambaratelon’ny safidin’ny mpifidy dia raràn’ny lalàna ny tsapan-kevitra amin’ny andron’ny fifidianana. Efa namafisina tamin’ny mpitandro ny filaminana ihany koa fa voarara izany satria manohintohina ny filaminam-bahoaka.

Hisy ny fepetra entitra horaisin’ny mpitandro ny filaminana manoloana ireo rehetra izay mbola mikiry hanatanteraka izany ny andron’ny fifidianana », hoy ny Filohan’ny CENI Rakotomanana Hery.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.