Fianarantsoa: Milamina ny fizotry ny fandatsaham-bato

  • mercredi, 07 novembre 2018 14:06
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Saika nisokatra tamin'ny 6 ora maraina avokoa ny biraom-pifidianana miisa 159 eto an-toerana. Mavitrika vao maraina ny mpifidy raha ny hita teny amin'ny birao-pifidianana nolalovana, saingy nisafidy ny hanefa izany adidy izany any amin'ny misandratr'andro kosa ireo mpivarotra eny amin'ny tsenan'ny tantsaha. Somary mangina ny tanàna amin'ny ankapobeny ary tazana mivezivezy ireo mpanaramaso ny fifidianana avy any ivelany.

Kisary matetika miseho tamin'ny birao nanangonana vaovao ny ahiahy momba ny antsapaka izay nahafahana nametraka ireo olona roa manao sonia ambadiky ny biletà tokana. Misy amin'izy ireny no naverina natao ka najanona tsy nampiasaina intsony mihitsy ny fehezana bileta tokana 2 izay nosoniavin'ny solontenan'ny birao-pifidianana araky ny toromarika mba ialàna amin'ny disadisam-pifidianana.

Tsikaritra teny amin'ny birao-pifidianana ihany koa ireo toerana manonkana azahoan'ireo mbola tsy nahazo ny karam-pifidianana maka ny azy eo imason'ny lehiben'ny fokontany sy ny mpiandraikitra izany.

Amin'ny ankapobeny dia milamina ny fizotry ny fifidianana eto amin'ny Distrikan'i Fianarantsoa. Ny tatitra voaray manaraka no azahoana mampita ny zava-mitranga hafa manerana ny tanàna.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.