Antsirabe: Nametra-pialana androany ny Lefitra voalohan'ny Ben'ny Tanàna

  • mercredi, 31 octobre 2018 20:27
  • Britto

Teo aloha, ny tsy fifankazahoana nateraky ny fanambarana nataon'ny Ben'ny Tanàna Razanakolona Paul fa manohana ny kandida filoham-pirenena Andry Rajoelina izy, fa teo ihany koa ny olana ara-pitantanana.

Tsy voaloan'ny Kaominina ny hofan-tranony sy ny vidin'ny jiro sy ny ranony, izay tokony ho ny Kaominina no hiantoka izany amin'ny maha tompon'andraikitra azy amin'ny fitantanana ny tanàna.

Nialoha io fialan'ny Lefitra voalohan'ny Ben'ny Tanàna io dia efa nametram-pialana ihany koa ny tompon'adraikitry ny fitantanam-bola (régisseur général), taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Bianco tamin'izy ireo sy ny olona roa hafa, ka isan'izany ny Lefitra fahatelon'ny Ben'ny Tanàna.

Efa ela no naharenesana fa misy ireo olona manodidina ny Ben'ny Tanàna no te hitsoa-pahana, ka manomboka izany izy izao.

Maro ny resaka manodidina ny fitantanan-draharaha ao amin'ity Kaominina renivohitr'i Vakinankaratra ity, saingy io aloha no nivoaka androany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.