Mahajanga: lfanjevoana ny fitanteram-bahoaka

  • mardi, 09 octobre 2018 18:18
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Ifanjevoana tanteraka ny fitanterana eto Mahajanga amin’izao fotoana. Saika hipoka avokoa ireo fitanterana toy ny “Bajaj”, sy ny “Bus” isan-karazany.

Tomefy olona tanteraka moa ny tanànan’i Mahajanga amin’izao fotoana ka ny marainan’ny talata 9 oktobra dia mbola nisy fotoana nivezivezena ny mpizaika noho ny fandaminana ny toeram-pitobiana sy ny mbola fahatongavan’ny vahiny, ka maro no nanararaotra nitsangatsangana eran’i Mahajanga, ka izany no nampifanjevo ny fitanteraka teto an-toerana.

Somary tsy mahazatra ny olona ny fitrifan’ny “Bajaj” na ireny “Tuk Tuk” ireny, izay toa tsy misy lamina amin’ny fifamoivoizana satria toa tsy dia milamina loatra ny lalànan’ny fifamoivoizana ka ahiana ny hisian’ny lozam-pifamoivoizana.

Na izany aza dia tsy mbola nisy aloha ny loza, saingy mampanahy be ihany ny fifamoivoizana eto Mahajanga.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.