Mahajanga: Nanomboka androany tolakandro ny JMJ Mada IX

  • mardi, 09 octobre 2018 18:17
  • Britto

Tanora mpiazaika Katolika miisa 24 830 no voasoratra anarana ho tonga eto Mahajanga hiatrika ny fihaonam-be JMJ Mada IX manomboka androany 9 hatramin’ny 14 oktobra 2018.

Toerana miisa 14 no andraisana ireo mpizaika ary ahitana Centre d’accueil maherin’ny 50.

Efa nanomboka omaly alatsinainy 8 oktobra no efa nisy ny fandraisana ireo tanora mpizaika avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, ka teny Akorefo no nizarana ireo badge ary mbola nitohy androany talata izany.

Io tolakandro io kosa no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika teny amin’ny Village touristique.

Milamina hatreto ny fandraisana ny JMJ andiany fahasivy eto Mahajanga ary mpitandro ny filaminana hatrany amin’ny 500 no mihetsika manerana ny tampon-tanàna.

Ny alahady lasa teo no nisy lozam-pifamoivoizana roa samihafa no niseho tamin’ny lalam-pirenena fahaefatra, samy fiara hihazo an’i Mahajanga hamonjy ny JMJ.

Ny iray voalohany tany amin’ny PK 185 akaikin’i Manerinerina, fiara sprinter iray no nivadika noho ny tsy fahatomombanana ara-mekanika ka olona efatra no naratra vokatr’izany. Ny iray kosa teny amin’ ny PK 125 Ankazobe, nandritra ny fotoana nijanonan’ny fiara nanokanana fotoana ahafahan’ny mpandeha hivalan-drano, no niampita teny amin’ny ilany ny ankizivavy efatra, taraiky aoriana nefa ny iray ka voahosin’ny fiara nandalo, nivadika ity farany avy eo. Namoy ny ainy ilay zazavavy rehefa tonga teny amin’ny hopitalin’Ankazobe.

Efa nametrahana ekipa natokana hamonjy voina hivondronan’ny ATT, ny Zandary, ny Croix Rouge sy ny ambulance eny amin’ireo toerana matetika itrangan’ny lozam-pifamoivoizana toy ny eny Ankazobe, Ambondromamy sy Maevatanana, efa misy ihany koa ny camion atelier ho an’ ireo fiara tojo fahasimbana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.