Morondava: Olan’ny gazoala, adin’ny 12 no misy jiro

  • samedi, 01 septembre 2018 14:49
  • Britto
  • Sary FB

Notsinjarain’ny Jirama ny fandefasana jiro sy rano eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe, noho ny tsy fahazoany gazoala omaly. Manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro no misy herinaratra ny tapakandro maraina, dia eo anelanelan’ny amin’ny 7ora hariva ka hatramin’ny 3ora maraina ny alina.

Raha ny re dia miandry taratasy avy amin’ny Jirama Foibe ny tohin’ny famatsiana solika ho an’ny Jirama eto Morondava, izay ny orinasa Jovena no mamatsy azy.

Mitaraina ny mponina sy indrindra ny mpandraharaha ara-pizahantany satria manakorontana ny asa fihariana ity delestazy tsy misy farany ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.