Tanambao Verrerie – Toamasina: Mpivarotra fahana finday maty notifirin’ny jiolahy

  • dimanche, 24 juin 2018 18:01
  • Britto

Ny sabotsy 23 jona tokony tamin’ny 5 ora hariva, no nitranga ny fanafihana mitam-basy teo ambony tetezan’i Tanambao Verrerie.

Tovolahy iray mpamongady fahana finday no maty tsy tra-drano voatifitra teo amin’ny lohany. Tavela tao amin’ny lohany ny bala. Handeha hamonjy fodiana any Tsarakofafa izy izao nisy nitifitra izao.

Lasan’ny jiolahy ny vola tao anaty sakaosy sy ny fahana, avy eo nitsoaka tamin’ny moto ireto andian-jiolahy ireto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.