Coliseum: Mitaraina ho tsy mbola nomena “indemnité” ireo Ben’ny Tanàna nantsoina

  • dimanche, 27 mai 2018 19:17
  • Britto

Nampanantenaina fanonerana ara-bola ny sarandalana, ny fiantranoana ary ny sakafony nandritra ny fivahinianany telo andro teto Antananarivo ny sasany tamin’ireo Ben’ny Tanàna nantsoina hanotrona ny fanasana nataon’ireo Parlemantera, manohana ny fitondrana, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy 26 may 2018.

Mitaraina ho tsy mbola nahazo vola izy ireo hatramin’ny marainan’ity alahady 27 may 2018 ity, nefa tsy manan-koraisina sy mba hitondrana voandalana mody.

Misy tamin’ireo Ben’ny Tanàna no nomena 200.000 Ariary isan’olona, ho sarandalana sy fiantranoana, nandritra ny telo andro, no mitaraina ihany koa fa tanampolo (0 Ariary) no entina mody.

Ireo ministra coach sy ny lehiben’ny faritra, izay mpandrindram-paritry ny antoko HVM no voalaza fa nandamina ny fampakarana teto Antananarivo, ireo Ben’ny Tanàna miisa 1311, raha ny isa voalaza teny amin’ny Coliseum.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.