Amparafaravola: “Miala Rajaonarimampianina fa mampiesona”

  • jeudi, 24 mai 2018 21:06
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Amparafaravola

Nisy androany alakamisy 24 mey 2018 ny diabe nianga teo amin’ny toby fiantsonan’ny taksibrosy, nentina ny nisantarana ny hetsiky ny fanovana teto Tanambe - Amparafaravola.

Nahitsy ny tenin-dRabekijana Solofo Hery, solombavambahoaka voafidy tato amin’ny Distrika Amparafaravola mitaky ny fialan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina, tsy misy hatak’andro fa “nampiesona ny vahoaka aty Amparafaravola”.

Nampanantena ny hanamboatra ny lalam-pirenena RN3A ny filoham-pirenena nefa hatramin’izao dia lalandratsy hatrany no ampiasain’ny vahoaka. Tsy voavaha hatramin’izao ny tsy fandriampahalemana, hoy ity depiote ity.

Miantso ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ity olomboafidy ity mba handray fanapahan-kevitra mamaly ny hetahetam-bahoaka.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.