RN7 Lozam-pifamoivoizana: Nitera-doza ilay kamiao maty teo ampiakarana

  • lundi, 21 mai 2018 09:21
  • Tigre
  • Sary Gasypatriote

Omaly alahadin'i Patekoty 20 mai 2018, teo amin'ny PK26 miala an'Antananarivo hiazo an'Antsirabe, dia nisy kamiao maty tao anaty fiakarana sy fiholanana.

Tokony tany amin'ny 12ora latsaka, ny atoandro no nisy kamiao citerne mpitondra solika niakatra ary hioatra ity kamiao maty ity, no nisy sprinter taxi-brousse avy any Antsirabe, no nipoitra tampoka avy any ambony ka dia nifanehitra tamin'ilay kamiao citerne.

Niezaka niala ity sprinter, ka hany heriny dia nalefany taty amin'ny sisiny, ka dia nivarina tao anaty lakan-drano.

Tsy voadoana ilay citerne nitondra lasantsy, fa ilay sprinter kosa no simba tanteraka.
Nisy mpandeha tao anatiny fa naratra maivana ihany ny sasany.

Efa tamin'ny 4 ora hariva vao afaka teo ilay sprinter noho ny fifanomezan-tanan'ny fokonolona sy ireo mpandeha fiara marobe nitandavana na ny avy any Antananarivo, na ireo avy any atsimo hiakatra.

Nandray andraikitra hatrany ny Zandarimaria nandamina ny teo an-toerana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.