Mahajanga: Mihetsika ny SEMPAMA

  • jeudi, 17 mai 2018 11:04
  • Britto

Hamoaka ireo mpampianatra rehetra manerana an'i Mahajanga izy ireo manomboka anio alakamisy. Efa nisantatra ny fampiatoana ny fampianarana ireo mpampianatra tao amin'ny lisea Philbert Tsiranana ka nanatsahatra ny fampianarana avokoa ireo mpampianatra nanomboka omaly maraina teo.

Tsy misy afa-tsy ireo “suppléants” izay matahotra ny ho tapaka karama sisa no nanohy ny fampianarana noho izy ireo tsy afa-manoatra.

Mahatsapa ireto mpampianatra ireto fa iharan'ny mizana mitanila ka tsy misitraka Zo mitovy amin'ireo mpiasam-panjakana hafa any amin'ny sehatra sasany izay tsara karama sy tambin-karama kanefa mitovy izao ihany ny marim-pahaizana sy ny “indice”.

Manohana ny hetsik'ireo Depiote ho an'ny fanovana izy ireo satria anisan'ny tsy niraharaha sy tsy nihaino ny fitakiank'izy ireo ity fitondrana ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.