Orinasa Fanalamanga Moramanga: Toherin’ny mpiasa ny fikasana ny hanala amin’ny toerany ny Tale jeneraly

  • mardi, 15 mai 2018 19:16
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Moramanga

Nandeha ny resaka fa hisy ny fanoloana ny Tale jeneralin’ny orinasa Fanalamanga Atoa Rakotonirina Augustin. Ny zoma 11 mey 2018 teo no voatondro ho nanatanterahana io fanoloana io, raha ny fanazavan’ireo sendika miisa efatra eo anivon’ny orinasa.

Io Tale jeneraly io no nampitraka ny orinasa Fanalamanga, tamin’ireo tale jeneraly 10 nitantana ny orinasa Fanalamanga, na dia vao tao anatin’ny 3 taona monja izy no nitantana izany orinasa izany, hoy ireo sendika, koa lavinay hoy ireto farany ny fikasana hanala azy amin’ny toerany.

Voaloa ny vola nahatratra tany amin’ny 4 miliara tamin’ireo latsakemboka sy ny tombontsoan’ny mpiasa tsy voaloa hatramin’izay, ka tsy nisitrahan’ireo mpiasa nisotro ronono ny tombontsoany. Teo ny fananganana tobim-pahasalamana sy fampidirana ny fiara maro hanodinana ny orinasa na ny fitaterana ny mpianatra izany na ny fitaterana ny mpiasa tao Moramanga.

Mandray anjara amin’ny sosialy aty Alaotra Mangoro ny orinasa, toy ny fanampiana ny Oniverisite ao Ambohitsilaozana Ambatondrazaka, hoy ikoa hany ireo Tangalamena sy olobe ao Moramanga, ka izany no hiarovan’izy ireo ity Tale Jeneraly ity.

Fifaninanana no nidirany tao ka tokony hatao fifaninanana ihany koa no hatao raha hanala olona fa tsy hapetraka amin’ny herisetra, hoy ireto farany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.