Lalangina: Saika isak'alina dia ahenoana asan-dahalo

  • lundi, 14 mai 2018 22:16
  • Britto
  • Sary nomena, tandremo sary mahatohina

Maro ny dahalo efa tratra, maty iharan’ny fitsaram-bahoaka ary dorana ny fatiny saingy toa tsy mahafay an’ireo dahalo izany. Saika isak'alina dia ahenoana asan-dahalo ao amin’ity Distrikan’i Lalangina, faritra Matsiatra Ambony ity.

Ny harivan’ny alahady teo, dia lasibatra ny fokontany iray ao amin’ny Kaominina Sahambavy. Lasan’ny dahalo amin’izany ny omby miisa dimy, ny akoho amam-borona, “panneaux solaires”, kojakojan-dakozia, fitafiana... Ts nisy aina nafoy saingy miaina anaty tebiteby ny mponina.

Efa fanindroany amin’izao io fokontany io no nisy nanafika.

(Jereo tohiny sary)
(Sary nomena, tandremo sary mahatohina)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.