Mpamatsy basy dahalo voasambotra tany Midongy Atsimo

  • dimanche, 23 août 2015 11:31
  • Britto
  • Photo: Net
Lehilahy iray malaza ho mpamatsy basy dahalo any Midongy Atsimo no voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny hetsika fampandriantany, ny herinandro lasa teo. Tafaporitsaka kosa ny roalahy namany. Mpampanofa basy sy mpivarotra basy sy rongony no asan’ireto telolahy. Enina hetsy ka hatramin’ny iray tapitrisa Ariary no amarotan’izy ireo izany. Nohodidinin’ny mpitandro filaminana ny trano iray ao an-tampon-tanànan’i Midongy Atsimo fieren’izy ireo. Tamin’ny fotoana nisavana ny trano no tafatsoaka ny roalahy raha azo sambo-belona ny iray. Nahitana fanamiana miaramila, rongony ary karazana mohara maro tao anatin’ilay trano nosavaina.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.