Andrebakely Avaratra : Zaza fito taona maty nianjera avy eny ambony tetezana

  • mardi, 18 août 2015 20:51
  • Britto
  • Photo: Net

Taitra tamin’ny fiara nifanena taminy teo ambony tetezana, latsaka tampoka tany anaty rano ilay zaza fito taona ary maty. Lalina ilay rano ka sarotra ny famonjena ilay ankizy kely.

Rehefa tafakatra teo an-tanety izy dia efa tsy nisy aina intsony.

Tao Andromba lalana mihazo ny tanànan’Andrebakely Avaratra any Ambatondrazaka no niseho ny loza omaly. Nandeha irery ilay zaza tamin’io.

Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.