Tanora tsy navela hivady : Nalain-drainy an-keriny ilay zanany vao 3 volana

  • dimanche, 16 août 2015 12:41
  • Britto
  • Photo:Net

Zaza menavava telo volana no nalain-drainy an-keriny ary nentiny nanaraka azy. Raha ny fanazavana azo dia nifankatia ireto tanora roa ka niteraka iray, nefa nosakanan’ireo ray aman-drenin-drazazavavy tsy hivady, ka voatery nampisara-toerana azy ireo.

Asa na noho ny fitiavana na alahelon-janaka, fa tonga tao an- trano nisy ny renin-janany sy ny zanany vao menavava, tao Amborongony Toliara, ity tovolahy ity omaly sabotsy antoandro ary naka sy nitondra an-keriny, ilay zanany kely ho any aminy sy nilaza tamin’ilay olon-tiany : «raha tena tia ahy ianao dia manaraha ahy sy ny zanako».

Tezitra tamin’ny fihetsiny ny rafozan-dahiny ka nitsioka kiririoka nampandre ny fokonolona teo an-tanàna fa misy mpangala-jaza. Naverin’ilay tovolahy haingana tany amin’ny reniny io zanany menavava io ary lasa nitsoaka izy nanavotr’aina noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka.

Commentaires (131)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.