Sarim-bavy voaendaka : Silipo sisa no teny an-kodiny

  • dimanche, 16 août 2015 12:39
  • Britto
  • Photo:Net

Mpanao fanatanjahantena maraina amin’ny lalana mihazo ny «port Toliara» ao Tsimenatse III no nahitanan’ity tovolahy pelana tsy nisy afa-tsy silipo sisa teny an-kodiny.

Raha ny fanazavany dia nisy telolahy nanendaka azy, raha iny handeha hody iny izy. Tratran’ny be noho ny vitsy ka tsy afa-nanohitra. Lasan’ireo mpanendaka ny volany 15 000 Ariary niampy finday iray ary hatramin’ny akanjo teny an-kodiny, ka tsy nisy afa-tsy takon-kenatra sisa navelan’ireo mpanendaka nentin’ilay sarim-bavy nody.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.