AGOA : Hisokatra ny “AGOA resource Center”

  • dimanche, 16 août 2015 12:37
  • Britto

Hisokatra tsy ho ela eto Madagasikara ny ivontoerana manokana hitrandrahana ny vaovao sy tahirin-kevitra momba ny AGOA na ny “AGOA resource Center”, araka ny nambaran’Atoa Scott Reid, tale mpanatanteraky ny AMCHAM (American Chamber of Commerce).

Izany dia ezaka ataon’ny AMCHAM hampirisihina ny orisana Amerikana hampiasa vola eto Madagasikara, ary hampivelarana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy.

Hisy delegasiona mpandraharaha malagasy hanainga tsy ho ela ho any Las Vegas, Etazonia hamonjy ny tsenabe «Magic Sourcing» izay natokana ho an’ny mpandraharaha mpamokatra.

Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.