Tselatra

    • samedi, 01 septembre 2018 14:47
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Kongresy nasionalin'ny Fitambolagnela I.A.D

    Natolotra ny solontenan'ny mpikambana avy amin'ny lafivalon'ny nosy ny zoma 31 aogositra ny kandida ho filoham-pirenena milatsaka amin'ny anaran'izany antoko izany. Tao amin'ny Espace Royal no nanatontosana ny fihaonana izay notarihin'ny filoha nasionaly Razafindrandriatsimaniry Dieu Donné Michel. Nodinihina teto ny vina sy paikady isan-tokony momba ny fiatrehana ny fifidianana ho avy izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 01 septembre 2018 13:52

    Ambatondrazaka: Efa ho lava ny fahatapahan-jiro

    Mitaraina ny mponina eto an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro manoloana ny fahatapatapahan-jiro. Mikorontana ny asa fihariana miankina amin’ny herinaratra, mitaintaina ihany koa ny mponina amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 30 août 2018 09:52
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Mandalo eto an-toerana ny Praiminisitra

    Mitarika ny dinik'asa momba ny zavamisy eto amin'ny firenena sy ny raharaham-pifidianana ny Lehiben'ny governemanta ny andron'ity alakamisy 30 aogositra ity. Manotrona azy akaiky amin'izany ny Ministry ny Atitany. Tonga manatrika izany ireo solontenam-panjakana rehetra aty ifotony. (Jereo Sary Tohiny)   
    Lire la suite ...
    • jeudi, 30 août 2018 09:38
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Ankadirano – Mangabe: Jamà iray no maratra mafy voatifitry ny dahalo

    Jamà iray no maratra mafy voatifitra tonga mitsabo tena eny amin’ny hopitaly Loterana Mahajanga nanomboka omaly, vokatry ny fifandonany tamin’ny dahalo. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 28 aogositra 2018, tamin’ ny 11 ora alina, dahalo sivy lahy no nanafika tanàna tao Ankadirano Kaominina Mangabe, ao avaratra andrefan’i Maevatanana. Lasa tamin’izany ny omby 16 sy volamena. Dimy lahy ireo Jamà niambina nandritra io fotoana io saingy nilefa ny efatra raha vao nahita ireo dahalo nitondra basim-borona. Ity lehilahy ity irery no nifanandrina tamin’ireo sivy lahy, izy izay tsy nanana afa-tsy antsy teny aminy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 30 août 2018 08:40
    • Sary Gasypatriote

    Fifamoivoizana anabakabaka: Manao izay tiany atao ny angidimby n'ny Filoha kandida

    Mitohy hatrany ny tsy fanarahan-dalana ataon'ny angindimby n'ny filoha kandida Hery Rajaonarimampianina. Raikitra ny fifamaliana tamin'ireo mpiandraikitra, ny mpanamory ary ny contrôleur aérien, satria dia tsy misy plan de vol, manery fotsiny akana solika, nefa solika natokana ho an'ny marary. Niainga tao Antalaha, afakomaly ilay angidimby mitondra ny laharana I-ARID, noterena nomena solika voatokana ho an'ny marary, nihazo an'ny Sambava indray, avy eo tsy hita izay nanjavonany, nikoropaka nitady azy avokoa ny controleur aérien. Androany maraina izy no nitranga, nipetraka tao Toamasina tokony tamin'ny 6ora maraina, fa hoe andeha haka ny Filoha any Sainte Marie ka hanatitra azy any Maroantsetra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 août 2018 21:12

    Mpiasan’ny fadintseranana: Hitokona manomboka rahampitso

    Hanao fitokonana mandritra ny roa andro, ny alakamisy 30 sy zoma 31 aogositra ny Sendikan’ny mpiasan’ny fadintseranana (SEMPIDO) ho fanehoana firaisankina amin’ireo mpiasa miisa 98 tapaka karama noho izy ireo nanaraka fitokonana, nandritra ny hetsika ho an’ny fanovana nanomboka tamin’ny 21 aprily 2018 niseho teto amin’ny firenena ary koa ho fanehoana tsy fankasitrahana ny fanapahan-kevitry ny ministeran’ny Fitantanam-bola nanao io fanapahan-karama, araka ny fanazavan’i Andrianavalona Herizo, filohan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny fadintseranana na ny SEMPIDO. Efa nanome toromarika ny praiminisitra Ntsay Christian mba tsy hanasaziana na hanapahana karama ireo mpiasam-panjakana nandray anjara tamin’ireny hetsi-bahoaka nitaky fanovana ireny. Tsy to teny, na koa tsy misy mpihaino ve ny lehiben’ny governemanta matoa misy fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny toromarika nomeny.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 août 2018 13:23
    • Sary nomena

    Andapa: Diso fanantenana tanteraka ny vahoaka

    Nampanantena ny Filoha-kandida Hery Rajaonarimampianina fa ho avy eto Andapa, ny Talata 28 aogositra 2018, hitokana ny “Block Opératoire ». Taminy 08 ora sy 40 mn no fotoana nomena vahoaka. Tonga ihany ny tamin’ny 1ora tolakandro fa tsy tonga. Efa tamin’ny 02 ora no nanehoana fa tsy ho tonga eto Andapa ny Filoha-kandida Hery Rajaonarimampianina noho ny olana solika amin’ny angidimby, izay taraiky any Antalaha.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 août 2018 09:54
    • Sary nindramina

    FIVMPAMA: Fiaraha-mitantana mandrampaha

    Nametra-pialana ny alatsinainy 27 aogositra amin'ny maha filohan'ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy na FIVMPAMA i Erick Rajaonary. Ho fanajany ny mpandraharaha sy ny fahaleovantenan'io vondrona io no nambarany ho anton’izany fanapahan-kevitra izany, rehefa navoakan'ny HCC tamin'ny fomba ofisialy ny maha kandida azy amin'ny fifidianana Filoham-pirenena, izay atao amin'ny 7 novambra 2018 ny fihodinana voalohany. Nirary fahombiazana ho an'ireo filoha lefitra telo izay hiaraka hitantana ny FIVMPAMA ny tenany.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 août 2018 09:52
    • Sary nomena

    Amparihintsokatra: Dahalo roa maty voatifitra

    Notafihan’ny dahalo ny Fokontanin’i Betainomby, Kaominina Amparihintsokatra, Distrika Ambatondrazaka ny alahady 26 aogositra 2018 tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Vala 4 no vaky ary omby 40 no lasan’ny dahalo. Rehefa nanara-dia ny Zandary avy ao amin'ny Poste Fixe Andreba Gara sy ny Poste Avancé Imerimandroso ary ny Fokonolona dia nifanehatra tamin’ny dahalo efa-dahy niroaka ny omby 9 tao Amparahitsiarinjato, Fokontany Antokazo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 29 août 2018 09:15

    RN13 Tolagnaro-Amboasary Antsimo: Lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona iray, naharatrana maro

    Tao Mahatsinjo no nitranga ny loza ny alahady 26 aogositra teo, izay nahafatesana olona iray ary ampolony ireo naratra. Fiarakodia efa antitra nefa nanao taingim-be no voalaza fa nitarika ny loza. Manampy trotraka ny faharatsian'ny lalana.  
    Lire la suite ...
Page 10 sur 325