Tselatra

    • mardi, 01 mai 2018 19:46
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Toamasina: Nodoran’ny Kaominina ny tranon’ireo 4’Mi teny amoron-dranomasina

    Nisy ihany koa ny fanadiovana ireo fako sy voanio tapatapaka, nandritra ny fandalovan’ny rivodoza AVA sy Eliakim farany teo, tranga nanamarika ny Fetin’ny asa teto Toamasina ity talata 1 mey ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 mai 2018 12:04
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Miara-dia amin'ny K3F ny vovonan'ny sendika

    Tanterahina eto amin'ny kianjan'ny demokrasia ny famoriam-bahoaka anohanan'ny K3F ny sendika amin'izao andro ho an'ny Asa izao. Misy ny fanentanana ara-javakanto iarahana amin'ny tarika Oladad. Tanterahana eto ihany koa ny filazalazana ireo toe-javamisy momba ny tsy fahamarinana eo amin'ny sehatry ny asa sy fivelomana. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 mai 2018 11:49
    • Sary nomena

    Fetin’ny Asa: 3 hetsy Ariary no karama farany ambany sahaza, takian’ny mpiasa

    Niainga avy etsy Mahamasina ny ankamaroan’ny sendika, raha nisy koa ny niala avy eny Ankorondrano niazo ny kianjan’ny 13 mey, mankalaza ny Fetin’ny Asa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 23:07

    Filohan’ny Repoblika: Mirary fety sambatra ho an’ny mpiasa malagasy rehetra

    “Manantitra ny fiarahabana ny mpiasa malagasy rehetra” ny Filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ary “mirary fety sambatra ho antsika”, amin’izao ankatoky ny 1 mey, fankalazana ny Fetin’ny Asa izao. “Ny soa iombonana no aoka hobanjinintsika hatrany”, hoy izy. Nambarany fa “asondrotra 8% ny marikaraman’ny mpiasam-panjakana manomboka ny volana Mey izao”.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 23:06
    • Sary nomena

    Hery Rajaonarimampianina : “Ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra no ahavitàna mamaha olana”

    “Fitondram-panjakana izay tarihiko dia mahafantatra, mihaino, mandinika ny hetahetanareo, ary manome vahaolana araka izay azo tanterahina. Miangavy aho ny hitandroana ny maha-Malagasy, ka hifampitondrantsika toy ny Ray aman-dreny sy zanaka : raha misy ny tsy mampitovy hevitra dia tsy misy afa-tsy ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra no ahavitàna mamaha olana”; hoy ny Fanambarana nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alin’ny faha-30 aprily 2018.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 16:20
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Manohana ny hetsik'ireo depiote ho an'ny fiovana ny SEMPAMA NOSY SAVA

    Nanao fanambarana nanoloana ny biraon'ny DREN SAVA izy ireo androany 30 aprily 2018, milaza fa manohana tsy misy fepetra ny hetsiky ny fanovana tarihin’ireo depiote miisa 73, mitaky ny fialan'Atoa Hery Rajaonarimampihanina tsy misy hatrak’andro, eo amin'ny toeran'ny Filoham-pirenena. Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy manaiky ny fanaovana andrana ny Faritra SAVA amin’ny fanovana ny rafi-pampianarana izay hokasain’ny ministera hotanterahina. (Jereo sary tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 16:12

    Sakaraha: Maty tao anaty lozam-pifamoivoizana ny « Médecin Inspecteur » ao Boriziny

    Nodomina fiara 4x4 Duster avy aoriana ny fiara nitondra ireo “Médecins inspecteurs” avy any Sofia handeha hamonjy fivorian’ny ministeran’ny fahasalamana ao Toliara, dia nivadibadika nivoaka ny lalana. Namoy ny ainy tamin'izany ny "Médecin inspecteur" ao Boriziny, voatsindrin'ny fiara satria tafapitika tety ivelany, nieren-doza koa ny sisa. Toerana tsy lavitra an'i Sakaraha no nitrangan'ny loza omaly alahady 29 avrily 2018.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 15:58

    Lalam-pifidianana: Mangina ny HCC

    Tsy mbola namaly na koa nanome ny heviny ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) mikasika ireo lalàna miisa dimy tonga eny aminy nanomboka ny 18 aprily 2018, dia ireo lalàna fehizoro miisa telo mifehy ny fifidianana, ny lalàna mikasika ny « Zone Economique Spéciale » ary ny fanitsiana ny andininy sasany mikasika ny fidiram-bolan’ny vondrombahoakam-paritra. Tsy mbola namoaka didy mikasika ny fitoriana napetraky ny depiote Hanitriniaina Razafimanantsoa, Horace Ranorosoamalala sy depiote 42 hafa mikasika ireo lalàna telo ireo, ary ny fitoriana napetraky depiote Hanitra Razafimanantsoa mangataka ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ihany koa ny HCC.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 15:55

    Hetsika ho an’ny fiovana: Mitety ministera ireo depiote

    Miditra amin’ny andro faha-9 amin’ity anio ity ny hetsika tarihin’ny solombavambahoaka ho an’ny fiovana etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Nisy nanomboka ny maraina teo ny fitetezana ministera sy orinasam-panjakana namoaka ireo mpiasa maniry hanatevina ny hetsika eo amin’ny Kianjan’ny 13 mey nefa voasakantsakana. Ankoatra ny eto Antananarivo dia tanànan-dehibe maro no efa ahitana hetsika mifanjohy amin’ity etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, toy ny tao Antsirabe, Ambatondrazaka, Manakara, Fianarantsoa, Fandriana, Ambositra, Tolagnaro, Antsohihy raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 15:54

    Vohipiraisana: Miroso amin’ny fampihavanana ny FFKM

    Horaisin’ny Foibe FFKM misesy eny Vohipiraisana Ambohijatovo Avaratra anio tolakandro ireo Solombavambahoaka ho an’ny fiovana, mitarika hetsika etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy ireo Solombavambahoaka manohana ny fitondrana. Ho fisantarana izany dia nisy omaly ny vavaka iraisam-pinoana notanterahina tao amin’ny katedraly Santa Laurent Ambohimanoro. Nandritra izany ny nanamafisan’ny filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina ny hafatra efa nataon’ny FFKM herinandro lasa izay ny hisian’ny fihavanana, hifanantonana sy fifampiresahana.  
    Lire la suite ...
Page 9 sur 280