Tselatra

    • mercredi, 24 juillet 2019 20:01

    Tafatsangana ny governemanta

    Milaza ny mpanolotra vaovao TVM fa efa tafatsangana ny governemanta, fa miandry ny fandaharana manokana hanolorana ireo mpikambana vaovao ao anatin'izany governemanta izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 juillet 2019 19:56

    Fananganana governemanta

    Hivoaka izao amin'ny TVM ny fananganana ny governemanta, miainga avy eny Ambohitsorohitra.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 juillet 2019 18:15

    Ivandry – Antananarivo: Hotokanana rahampitso alarobia ny lalana Pr Zafy Albert etsy Ivandry

    Ampahan-dalana mirefy 700m, eo anelanelan’ny sampanana Pullman ka hatreo amin’ny sampanana amin’ny kianja filalaovana tennis Alarobia, no nampitondraina ny anaran’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert, araka ny fangatahan’ny fianakaviany sy ny CRN (Comité pour la Réconciliation Nationale) ary neken’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo rehefa nahazo ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Tanàna.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 juillet 2019 16:56

    Fampihavanam-pirenena: Hanao tatitra ny Conseil du Fampihavanana Malagasy

    Hanao tatitry ny asa vitany ny CFM na Conseil du Fampihavanana Malagasy amin’ny zoma ho avy izao. Herintaona sy tapany izao no nijoroan’ny CFM, izy izay rafitra najoro taorian’ny krizy politika ny taona 2009 hitarika ny fampihavanam-pirenena eto Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 juillet 2019 11:17

    Ankadindramamy-Antananarivo: Voaroban'ny jiolahy ny volabe tao amin’ny toby mpaninjara solika Shell

    Vao maraina dia nirefotra ny basy tetsy Ankadindramamy, omaly. Norobain’ny jiolahy ny vola manodidina ny 70 tapitrisa Ariary tao amin’ny toby mpaninjara solika Shell teo an-toerana. Roalahy, samy nitondra basy poleta, no nanatanteraka ny fanafihana ; Nanapoaka basy izy ireo, nampitahorana ny olona nandritra ny fanafihana sy ny fitsoahan’izy ireo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 juillet 2019 11:13
    • Sary nindramina

    Mahajanga: Nasesika tao anaty tavoahangina gazy ny rongony saika hoentina any Kaomoro

    Nihevitra ny ho fetsy, saingy mbola matsilo lavitra noho izy, ary mailo lalandava ny Polisy miasa eo anivon’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, ka tra-tehaka ilay teratany Kaomôriana nikasa hiondrana hiazo an’i Kaomôro, ny zoma lasa teo, miaraka amin’ny rongony 16.5 kg nasesika tao anaty tavoahangina entona fandrehitra na « bouteille à gaz ». Notazomina tao amin’ny Commissariat Central Mahajanga nanaovana famotorana avy hatrany izy. Natolotra ny Fampanoavana omaly ary tazomina vonjimaika.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 juillet 2019 11:01
    • Sary ZP

    Ampitanaky Itampolo: Sahan-drongony 25ha nopotehina, rongony 25 gony nodorana

    Ny Zandary avy ao amin'ny Vondron-tobim-paritra Ampanihy-Andrefana no nahita ity sahan-drongony midadasika mihoatra ny 25ha ity nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo tao Antsandokiantitsy, fokontany Ampitanaky Kaominina Itampolo. Mbola nahitana tranoheva ihany koa teo amin'ny manodidina, ka tra-tehaka tao ny rongony 25 gony. Naharitra herinandro ny fanapotehana ny voly rongony noho ny fidadasiky ny saha, ary nodorana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 22 juillet 2019 22:16
    • Sary nindramina

    Kitra – Barea JIOI: Napetra-pialana i Rôrô, mpanazatra

    Miaiky i Rakotondrabe Romuald na Rôrô, mpanazatra Barea JIOI, fa isany tomponandraikitra ny tenany matoa tsy tafita amin’ny manasa-dalana ny Barea amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny ranomasina indianina amin’ny baolina kitra. Nanapa-kevitra ny tenany fa « hiala amin'ny toerana maha mpanazatra satria tsy nahomby ». (Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • lundi, 22 juillet 2019 22:06
    • Sary nindramina

    Kitra – Lalaon’ny Nosy: Nihintsana tamin’ny antsapaka ny Barea JIOI

    Tapitra ny dian’ny Barea teo amin’ny Lalaon’ny Nosy. Tafita ho amin’ny dingan’ny manasa-dalana i Seisela taorian’ny antsapaka natao io hariva io tao amin’ny hotely Intercontinental, namantarana izay hiaraka amin’i Maurice hanohy ny lalao amin’i Madagasikara sy Seisela izay nitovy isa tao amin’ny vondrona A. Samy in-droa nanao ady sahala i Madagasikara sy Seisela, mitovy ny elanelan’ny baolina niditra sy tafiditra tamin’ny ekipa roa tonta. Niditra tamin’ny antsapaka, araka ny voalazan’ny lalàna mifehy ny lalao. Tafita i Seisela, tapitra hatreo ny lalana ho an’ny Malagasy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 22 juillet 2019 16:43

    Fifidianana: Hiova ny tetiandro handraisana ny dosie firotsahan-kofidiana Ben’ny tanàna

    Efa tokony nisokatra ny 20 jolay teo teny anivon’ny OVEC isaky ny Distrika manerana ny Nosy, ary hifarana amin’ny 3 aogositra ny fametrahana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna, raha hotanterahina amin’ny 28 oktobra 2019 ihany ny fifidianana, araka ny tolo-kevitry ny CENI. Mety hisy fiovana anefa io tetiandro voafaritra io noho ny tsy mbola nivoahan’ny didim-panjakana miantso mpifidy handatsa-bato.  
    Lire la suite ...
Page 8 sur 457