Tselatra

    • jeudi, 02 août 2018 14:01
    • Sary nomena

    Grevy Mpampianatra: Nanao diabe hiazo an'i Mahazoarivo voasakan'ny mpitandro ny filaminana

    Nanao diabe hihazo an'ny Mahazoarivo ireo mpampianatra marobe mitokona, ka vao tonga teo Fenomanana dia misy barazy voalohany, ary mihatrana ny mpitandro ny filaminana, miaraka amin'ny solotenan'ny primature mangataka fifampiresahana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 août 2018 13:57

    Mandatehezan’ny Fanabeazam-pirenena: Manao fitokonambe eo Anosy

    Tonga hatramin’ny solontena avy any amin’ny faritra, mandray anjara amin’ity fitokonana etsy amin’ny tokontany malalaky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena Anosy, manamafy ny fitakiana ireo tombontsoa samihafa sy hamerenana ny hasin’ny mpampianatra sy mpanabe.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 août 2018 13:57

    Kianjan’ny 13 mey: Nitohy androany ny hetsi-panoherana fifidianana ataon’ny HFI

    Tsy mampiova ny hevitry ny Hetsika ho an’ny Fanorenana Ifotony (HFI) ny fisokafan’ny fandrotsahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, mamory olona eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izy ireo androany, manohitra ny hirosoana amin’ny fifidianana fa hanao fandaminana ireo zava-manahirana ny firenena hisorohana ny fiverimberenan’ny krizy aloha.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 02 août 2018 09:16
    • Sary nindramina

    Zimbabwe: Raikitra ny sakoroka eo ampiandrasana ny vokam-pifidianana

    Ny alatsinainy teo no nizotra marobe namonjy ny biraom-pifidiana ny ho filoham-pirenena ireo Zimbabweanina taorian'ny naneren'ny Tafika an'i Robert Mugabe hametram-pialana. Nisolo toerana azy i Emmerson Mnangagwa, tanakavanany teo aloha, izay nirotsaka ho fidiana, hifaninana amin'i Nelson Chamisa, mitarika ny antoko mpanohitra. Raha heverina hivoaka rahampitso zoma ny vokam-pifidianana Filoham-pirenena, dia efa nanambara ny antoko mpanohitra MDC, fa "1er tour dé vita" ny voka-pifidianana eo an-tanan'izy ireo.Ny vokam-pifidianana solombavambahoaka kosa dia efa nivoaka mpandresy ny antokon'ny fitondrana, izay lazain'ny mpanohitra fa hala-bato.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 août 2018 22:43
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Raikitra anaty romoromo ny adina ara-panatanjahantena bakalorea

    Nandeha ihany ny adina ara-panatanjahantena bakalorea teto Mahajanga androany, na tsy nankasitraka ny hanatontosana izany aza ireo mpampianatra mpanao fitokonana. Niara-niatrana tamin'ireo mpianatra hiadina teny amin'ny kianja Rabemanajara ireo mpampianatra ireo, ary nanamafy fa tsy handeha ny EPS bakalorea. Tonga ara-potoana anefa ny mpitandro ny filaminana nandamina ka mampiditra ireo mpianatra sy nanala ireo mpanao fitokonana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 août 2018 22:21

    Ministeran’ny varotra sy fanjifana: Mitokona ny mpiasa

    Mitaky ny fialan’ny Talen’ny kabinetra sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny minisitra Yvette Sylla ireo mpiasa mitokona nanomboka tamin’ny alatsinainy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 août 2018 22:13
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fanirisoa Ernaivo: Midina ifotony

    Mitsidika an'i Faritr'i Matsiatra Ambony ny andron'ity alarobia 1 Aogositra ity. Hanatanteraka fidinana any amin'ny distrikan'Ambalavao izy araky ny fandaharam-potoana. Mikarakara sy manomana izany ny antoko Zama na Zanak'i Madagasikara. Tamin'ny 10h30 teo izy no nigadona tamin'ny fiaramanidina teto Fianarantsoa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 août 2018 22:08
    • Sary nindramina

    Solika: Niaka-bidy indray

    50 Ariary isaky ny litatra ny fiakarana mihatra amin'ireo toby mpaninjara solika nanomboka io maraina io.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 août 2018 22:08

    Ranomafana Ifanadiana: Notafihin’ny dahalo nandritra ny adin’ny roa ny tanàna Ambatolahy

    Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Ambatolahy, tanàna iray somary anaty ala ao anatin’ny Kaominina Ranomafana, Distrika Ifanadiana. Dahalo mitam-basy efapolo lahy no niditra ny tanàna nanomboka tamin’ny 5ora sy sasany hariva. Tovolahy iray no maty voatifitra, roa hafa naratra voafira famaky. Nitsoaka nanavotr’aina tany anaty ala ny ankamaroan’ny mponina, izay tavela noteren’izy ireo hanome vola sy fitaovana ary fiaravaka sarobidy. Notetezin’ireo dahalo ny trano efa ho dimapolo tafo ao Ambatolahy nandritra ny ora rao latsaka. Lasa ny lelavola 1,8 tapitrisa Ariary, noraofin’izy ireo ny entana tamin’ireo «épicerie» tao an-tanàna tombanana any amin’ny 4 hetsy Ariary. Tonga nanavotra ny mponina ny Zandary avy ao Ranomafana, nisy ny fifamaliana tifitra tao anaty haizina vao vaky nandositra ireo olon-dratsy.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 juillet 2018 18:55
    • Sary nomena

    HFI: Hitory ary tsy manaiky an'i Andry Rajoelina ho kandida

    Tonga teny amin'ny HCC Ambohidahy anio talata 31 jolay ny Hetsika fanorenana Ifotony na ny HFI, izay delegasionina notarihan'i Pety Rakotoniaina, hametraka taratasy hitoriana an'i filohan'ny tetezamita teo aloha, noho ny fananan-karena tsy fantatra fiaviana, ny tranony any ivelany, ny kolikoly sy bois de rose, izay ilana fanazavana avy aminy, hoy i Pety Rakotoniaina. Tsy ekena hoy hatrany izy ny amelana an'i Andry Rajoelina hirotsaka ho kandida, ka hamerenany fomba ratsiny hatrany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 7 sur 312