Tselatra

    • lundi, 17 septembre 2018 15:06
    • Sary Gasypatriote

    Bakalorea 2018: Tsy hisy "note éliminatoire"

    Tsy sakana ny tsy fahatongavana tamin'ny taranja Filozofia ny maraina teo, tsy hisy ny naoty manintsana avy hatrany na "note éliminatoire". Afaka mbola manao adina an-tsoratra amin'ny zoma, andro farany amin'ny fanadinana ireo mpiadina tsy nanao adina ara-panatanjahantena. Nilamina tamin'ny ankapobeny ny tapakandro maraina ny fanadinana bakalorea nanerana ny Nosy.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 17 septembre 2018 15:00

    Faratsiho: Nisy nanafika ny fiara nitondra laza adina bakalorea

    Nisy nanafika tao Antsapanimahazo amin'ny lalam-pirenena faha-43, ny alin'ny sabotsy 15 septambra, fiara 4x4 an'ny Cisco Faratsiho, nitondra ny lehiben'ny foibem-panadinana sy ny laza adina. Nisy ny fifandonana, nitifitra ny Zandary niaro ny fitondrana ny laza adina ka nahavoa ny iray tamin'ireo jiolahy, izay no nampitsoaka azy ireo. Naratran'ny torabato ny lehiben'ny foibem-panadinana, nisy fahasimbana ny fiara. Afaka nizotra soa amantsara ihany ny fanadinana bakalorea teto Faratsiho, na teo aza io fanafihana io.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 17 septembre 2018 09:08
    • Sary Gasypatriote

    Bakalorea 2018: Ny taranja Filozofia no hanokatra ny laza adina

    Manomboka ny maraina teo manerana an'i Madagasikara ny fanadinana Bakalorea, mamarana ny taom-pianarana 2017-2018. 184.708 ny isan'ny mpiadina voasoratra anarana miatrika izany manerana ny Nosy. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 septembre 2018 21:22
    • Sary nindramina

    HJRA Ampefiloha: Nitsidika ireo zaza roa voadona teny Ivandry i Ntsay Christian

    Ny harivan’ny zoma 14 septambra 2018, no niseho ny loza. Fiara kely “plaque rouge” mpisava lalana, entin’ny mpitandro ny filaminana miasa eo anivon’ny Fiadidiana ny Praiminisitra no nifaoka zaza roa, tamin’ny lalana tsy tokony izorany “sens interdit”. Naratra mafy ireo zaza ireo ary tsaboina ao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha-Antananarivo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 septembre 2018 21:12

    Fifidianana: Samy hanana biletà SPECIMEN 75 isa avy ny kandida tsirairay

    Tonga androany tamin’ny 10 maraina ireo biletàm-pifidianana manokana na biletà SPECIMEN natonta tatsy Afrika Atsimo, araka ny famandrihana nataon’ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana na CENI. Araka ny fanazavan’i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI, dia homena biletà SPECIMEN 75 avy ireo kandida miisa 36 nenken’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny 7 novambra ny fihodinana voalohany, hanaovany fampahafantarana sy fampianarana amin’ny fampiasana azy. Manao dika mitovy ny kandida isanisany raha tsy ampy azy io 75 io. Homena 50 avy isaky ny distrika ihany koa ireo fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fifidianana, hanaovany fampianarana sy fanabeazana ny vahoaka mpifidy.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 septembre 2018 21:12

    Bakalôrea 2018: 184.708 ny isan’ny mpiadina voasoratra anarana

    Hotanterahina manomboka rahampitso alatsinainy 17 septambra 2018 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana Bakalôrea. Miisa 184.708 ny mpiadina voasoratra anarana mitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 298, ka amin’ny sokajy ankapobeny ny 175.526, mitsinjara ho 13.005 ny “série A1”, 120.327 ny “série A2”, 4.874 ny “série C” ary 37.320 ny “série D”. Ao amin’ny sokajy teknika kosa ny 9.182, ka 8.602 ny “professionnel” ary 580 ny “technologique”. 75 taona, ary“série D”, ny zokiolona amin’ireo mpiadina, ary 11 taona “série A2” ny kandida zandriolona indrindra. Nitsodrano ireo mpiadina rehetra manerana ny Nosy ny minisitry ny fampiarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Rasoazananera Marie Monique, hahomby amin’izany fanadinana izany.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 septembre 2018 18:59
    • Sary Gasypatriote

    CISCO Tana Ville: 48,81 % ny taham-pahafahana BEPC

    Nivoaka ny valim-panadinana BEPC manerana ny faripiadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra. Nahatratra 48,81 % ny taham-pahafaham-panadinana tamin'ity taom-pianarana ity. Azo jerena ao amin'ny tranokalan'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena www.education.gov.mg sy anontaniana amin'ny laharana 601 amin'ireo tambanjotran-tserasera (TELMA / ORANGE / AIRTEL) ny valim-panadinana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 septembre 2018 18:55

    Mandroseza-Antananarivo: Tovolahy hanala bakalorea maty an-drano

    Folaka an-datony ilay tovolahy. Niroboka naka baolina latsaka tao anaty rano mamatsy ny farihin'i Mandroseza, ny zoma teo, dia tsy niverina intsony nefa tokony hiatrika fanadinana bakalorea rahampitso.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 septembre 2018 18:54
    • Sary nindramina

    Antanifotsy (RN7): Fiara nifandona, iray namoy ny ainy

    Fiara kely Mazda hiazo an'Antananarivo no nifanehitra tamin'ny Sprinter nitondra mpandeha avy ao Antananarivo ho any Antsirabe teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 androany maraina. Mafy ny fifandonana. Mpandeha iray, tompon'andraikitra amina sampana ao amin'ny FJKM Atsimon'i Mahamasina, tao amin'ilay fiara kely no maty tsy tra-drano, efatra hafa naratra mafy, anisany ny mpitandrina ao amin'ny FJKM Atsimon'i Mahamasina, ary tsaboina ao amin'ny HJRA Ampefiloha-Antananarivo. Fito tao amin'ilay Sprinter no voa mafy. Zavona maraina no voalaza fa nitarika ny loza.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 15 septembre 2018 22:41
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Mpiambina iray maty voatifitra, lasan'ny jiolahy ny 20 tapitrisa Ariary

    Mpiambina iray maty voatifitra, vola manodidina ny 20 tapitrisa Ariary no lasan'ny jiolahy nitondra fitaovam-piadiana nandritra ny fanafihana kioska manao Mobile Money, na irony fandefasana sy fakana vola irony, teny amin'ny Bois Sacré Mahajanga. Tamin'ny 7 ora latsaka folo minitra maraina, ora fanateran'ny mpampiasa ny vola hampiasaina mandritra ny tontolo andro no nisehoan'ny fanafihana. Avy hatrany ny lehilahy iray dia nanao sinto-mahery ny vola haterina. Iny handeha hanaraka ireo jiolahy iny no nitifiran'izy ireo ilay mpiambina ka nahafaty azy teo noho eo. Roa lahy no nanao ny fanafihana, ny iray nisaron-tava ary ny iray kosa tsy nanafina endrika. Basy poleta no nampiasain'izy ireo.
    Lire la suite ...
Page 6 sur 325