Tselatra

    • lundi, 19 octobre 2015 19:55
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Manandona-Antsirabe II: Nasainy naolana teo imasony ny anabaviny

    Voasambotry ny Zandary tao Antanetinilapa, Kaominina Ibity ny faran’ny herinadro teo ny dahalo mandravarava amin’iny faritra Manandona sy Ibity iny. Niainga tamin’ny fanafihana tokatrano iray ny sabotsy 10 Oktobra ny fikarohana azy ireo. Ny anabavin’ny iray tamin’ireo dahalo ihany moa no notafihin’izy ireo tamin'io. Tsy vitan’izay fa sady nambanana basy no naolana ilay ramatoa. Taorian’izay dia nalain’izy ireo ny vola 60.000 Ar tao an-trano. Nametraka fitoriana ilay ramatoa ka nanomboka teo ny fikarohana. Voasambotra niaraka tamin’ny basy vita gasy iray izy roalahy, rehefa nanaovan’ny zandary velampandrika. Photo Sobika
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 octobre 2015 15:40
    • Photo: Net

    Kiranomena Morafenobe : Dahalo telo matin’ny miaramila

    Telo maty, roa naratra, ny ambiny nitsoaka. Ireo no vokatry ny fifandonan’ny dahalo sy ny mpitandro ny filaminana taorian’ny halatr’omby nataon’ny dahalo tany amin’ny Kaominina Kiraomena, Distrikan’i Morafenobe ny faran’ny herinandro teo. Tafaverina amin’ny tompony ny omby 130 nangalarin’izy ireo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 octobre 2015 12:10
    • Photo: Net

    Ampefiloha : Fampahafantarana ny sekoly ambony «THR»

    Hotanterahina ny talata 20 oktobra 2015 ao amin’ny Complexe scolaire Ampefiloha ny fisian’ny sekoly ambony «THR» ao an-toerana izay manomana BTS amin’ny Tourisme, Hôtellerie, Restauration (THR).   Ity sekoly ambony «THR» ity dia iaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Asa, Fampianarana Teknika ary ny Fampiofanana arak’asa.
    Lire la suite ...
  • Ambanja tsy misy rano
    Ambanja tsy misy rano
    • lundi, 19 octobre 2015 08:27
    • Photo: Sobika Ambanja

    Mikasa ny hitokona tsy andoa faktira Jirama ny ao Ambanja.

    Vao maraina dia tapaka sahady ny jiro. Matetika dia maharitra 5 ora, ary mbola tapaka rehefa oran'ny vaovao, maharitra ora 3.   Ny aty Ambanja dia tsy misy rano, fa vovo no atsakana, ny jiro dia zara raha mandeha.   Efa mihevitra ny hanao fitokonana tsy andoa ny faktira Jirama ny mponina satria sady tsy zarizary ny tolotra, nefa nidangana ny vidiny, ny fandaniana anefa nihena satria delestazy, ny fitaovana tapitra simba avokoa. Mametram-panontaniana ny maro ny hoe atao inona moa izany ny abonnement aloa?    
    Lire la suite ...
  • 67 ha
    67 ha
    • dimanche, 18 octobre 2015 22:32
    • Photo: FB

    Trano may 67ha ny maraina teo.

    Nananosarotra ny famonoana ny afo noho ny fahateren'ny toerana tsy nahafahan'ny fiarabe mpamono afo manantona.
    Lire la suite ...
  • Fifidianana hatrany anaty bus maty any Guinée
    Fifidianana hatrany anaty bus maty any Guinée
    • dimanche, 18 octobre 2015 19:21
    • Photo: Net

    Fifidianana Filoham-pirenena Gineanina :

    Alpha Condé, Filoha am-perin'asa any Guinée, premier tour dia vita
    Lire la suite ...
  • Halatra taolam-paty Toliara
    Halatra taolam-paty Toliara
    • vendredi, 16 octobre 2015 18:36
    • Photo: Sobika Toliara

    Ambohimasay Toliara II : Taolam-paty telo gony tao anaty kirihitr’ala

    Fianakaviana andeha handevina no nahita azy, tany atsimo atsinanan’i Maninday, 10km miala ny tanànan’i Toliara. Natao tao anaty gony, nosaronana ravin-kazo, ary nafenina tao anaty kirihitr’ala tsy lavitra ny fasanan’ilay fianakaviana handevina ireo taolam-paty. Mandeha ny fanadihadiana hamantarana ny nihaviany sy ireo nahavanon-doza.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 16 octobre 2015 18:17

    FANAFIHANA TOBIN’NY ZANDARY TANY BEFOTAKA ATSIMO

    Araka ny loharanom-baovao, voaray avy any an-toerana, dia fantatra izao, fa dia tsy tahotra, tsy henatra, dia sahy nivarotra ireo entam-barotra, na fanaka an-tranon’olona avy norobain’izy ireo tany Befotaka Atsimo ny zoma lasa teo, tao Beharena, tsy lavitra an’i Befotaka ireo dahalo ireo ny Alarobia teo.Noho ny fiaraha-miasan’ny fokonolona any an-toerana sy ny mpitandro filaminana anefa, dia tonga ara-potoana ny vaovao, mikasika ny fandaharam-potoan’ireto dahalo ireto, ka tra-tehaka teo am-pivarotana ny entana halatra ry zareo.Raikitra avy hatrany ny fifandonana, ka vaky nandositra ireto dahalo, koa dia nitohy ny fanenjehana azy ireo hatramin’izao.
    Lire la suite ...
  • Tsaramandroso Pont blanc Mahajanga
    Tsaramandroso Pont blanc Mahajanga
    • vendredi, 16 octobre 2015 13:35
    • Photo: Sobika Mahajanga

    Tsaramandroso Pont blanc Mahajanga: Mirehitra mijoalajoala ny afo

    Tokony tamin'ny 12 ora latsaka teo dia tazana avy lavitra ny afo milangalanga izay mandoro ireo trano. Voalaza fa misy zaza mitondra kilema tsy tafavoaka ao antrano.Mbola hifandrombonan'ny maro ny famonoana ny afo.  
    Lire la suite ...
  • Tonga ara-potoana teny Iavoloha ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana
    Tonga ara-potoana teny Iavoloha ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana
    • vendredi, 16 octobre 2015 08:43
    • Photo Fournie

    Iavoloha : Hiaka-dapa ireo Ben’ny tanàna vaovao

    Hotanterahina anio eny Iavoloha ny fihaonana voalohany eo amin'ny filoham-pirenena amin'ireo Ben'ny tanàna 1676 efa voafidy manerana ny Nosy. Mbola haverina amin’ny 13 novambra 2015 ny fifidianana amin’ireo Kaominina 19 hafa, ka aorian’izay vao hanana Ben’ny tanàna ireo Kaominina ireo.  
    Lire la suite ...
Page 452 sur 465