Tselatra

    • mercredi, 06 juillet 2016 10:34
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Mankalaza ny IDY ny Silamo

    Manomboka androany ny fankalazana ny IDY, famaranana ny iray volana fifehezana, ho an'ny mpino silamo manerantany. Manamarika io andro lehibe io ny mpino silamo ao Mahajanga. Nosantarin’izy ireo tamin'ny fiaraha-mivavaka sy diabe namakivaky ny tanàna izany ny maraina teo. Tonga niaraka niombom-bavaka tamin'ireo mpino silamo tao amin'ny Mosquée Noroil Islaam Mahajangabe ny lehiben'ny faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar io maraina io.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 juillet 2016 08:56
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Hanomboka anio alarobia ny fitsarana CEPE

    Tontosa soa aman-tsara ny fanadinana CEPE sady fifaninanana hidirana 6è raha ny tao an-drenivohitry ny Faritra SAVA. Niisa 13.085 ireo mpiadina voasoratra anarana tao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Sambava ary nitsanjara tamin’ny foibem-panadinana 28. 9 taona ny zandriny indrindra amin’ireo mpiadina, ary 18 ny zokiolona.Hanomboka anio Alarobia ny fitsarana ny taratasim-panadinana ary “amin’ny 12 Jolay 2016 no tombanana hivoan’ny voka-panadinana”, hoy ny lehiben’ny fari-piadidiampampianarana Sambava Totozandry Clément. Nofohanana ihany koa ireo fampisehoana rindrankira izay saika hataon’ireo mpanankato samihafa tany amin’ny faritra SAVA. Tsy nahitana fahatapahana ihany koa ny Jirama ny talata 5 jolay, andron’ny fanadinana, raha isan’andro izany dia maty eo anelanelan’ny amin’ny 4ora maraina ka hatramin’ny 9ora maraina.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 juillet 2016 11:24
    • Photo: Sobika Atsimo Atsinanana

    DREN Asimo Atsinanana : Nizotra ampilaminana ny CEPE

    Nizotra ampilaminana ny fanadinam-panjakana CEPE any amin'ny faritra Asimo Atsinanana. Mpiadina miisa 14 701 mitsinjara amina foibem-panadinana 67 ka 5 amin'ireo mpiadina manana olana eo amin'ny fahitana. 8 taona no zandriny indrindra ary 17 taona no zokiny indrindra. Ho an'ny fari-piadidiam-pampianaran'i Farafangana dia 24 no tsy tonga niatrika ny fanadinana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 juillet 2016 14:23
    • Sary : Njaka

    Fihaonanan'ny solombavambahoaka sy ny mpanao gazety

    Mbola eo am-piandrasana ny solombavambahoaka filohan'ny komisiona ny mpanao gazety, mbola tsy misy aloha hatreto ny zavatra tapaka fa miandry izay fihaonana izay. Tsiahivana moa fa raha tapaka tamin'ny zoma teo fa ahemotra ny fandinihina ilay code de la communication, dia ny sabotsy teo dia nampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny Solombavambahoaka ny goverenemanta handinihina ilay code de la communication sy lalàna lehibe 3 hafa. Mbola hihenjana izany ny tady eo amin'ny mpanao gazety sy ny mpitondra izay manao amboletra hampandaniana ity lalàna momba ny serasera ity.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 juillet 2016 11:04
    • Photo: Njaka

    Mirongatra indray ny asan-jiolahy eny Andranomanalina Isotry

    Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny jiolahy omaly tokony ho tamin’ny fito ora hariva. Rehefa nifanenjika teny amin'ny elakelantrano ireto farany dia nitifitra ny mpitandro ny filaminana ka vehivavy iray sendra nandalo no voa tamin’izany. Teo amin'ny ranjon'ilay vehivavy 27 taona izay marihina fa mitondra vohoka efa ho teraka, no nifatra ny bala ka noentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly. Nanararaotra izany ka tafatsoaka ireo jiolahy. Niverina nanao fisavana ireo mpivezivezy teny an-toerana kosa ireo mpitandro ny filaminana taorian'izay.
    Lire la suite ...
    • samedi, 02 juillet 2016 20:56
    • Sary Sobika Toamasina

    Nanainga any Toamasina ny nofo mangatsiakan'i Dada Lemama

    Nody mandry ny zoma maraina 1e jolay taty Toamasina i Dada Lemama izay mpilalao baolina malaza ao amin'ny FCE (Fortior de la côte Est ) fantatry ny maro amin'ny hoe Levandana. Izy moa no Capitaine d'équipe izao namoy ny ainy izao. Nandritra ny lalao teo amin'ny FCE, nifanandrana tamin'ny Vatomandry teo amin'ny stade Minicipal TOAMASINA, diaVoadona mafy tamin'ny kiho ny andilan'i Lemama ary nitarika aretina taminy, ary natao fandidiana indroa miantaona fa izao tsy tana intsony izao ny ainy. Niainga io hariva io tao Soavita TOAMASINA moa ny Razana ary ho entina any Mandritsara. Vaky fo tokoa ireo namana sy fanakaviana ary ireo mpankafy baolina kitra satria dia mbola tanora tokoa i Dada Lemama.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 01 juillet 2016 14:09
    • Sary Njaka

    Hay trano tetsy Manarintsoa, Isotry : Olona telo namoy ny ainy

    Trano 63 tafo no kilan'ny afo ny alin'ny alakamisy tokony ho tamin'ny 11 ora. Olona telo kosa no namoy ny ainy tao anatin'izany loza izany ka renim-pianakaviana 52 taona eo ny iray ary ankizy 13 taona sy 3 taona kosa ny roa hafa. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny nihavian'ny afo ary tonga teny an-toerana io maraina io ny Praiminisitra sy ny vadin'ny Filoha, nanolotra fitaovana sy nampahery ireo niharam-boina izay mahatratra 242.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 01 juillet 2016 12:19
    • Tahiritsary Sobika

    Hiakatra ny vidin-tsolika

    Raha ny filazan'ireo "station" dia hiakatra manodidina ny 200 ka hatramin'ny 300 ariary eo manomboka ny zoma 1 jolay ny vidin'ny solika amidy eny amin'ny station.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 30 juin 2016 23:22
    • Sary nomena

    May Manarintsoa Isotry, Atsinanana

    May Manarintsoa Isotry, Atsinanana Efa tonga eny an-toerana ireo pompier   www.sobikamada.com Copyright © SobikaMada.com
    Lire la suite ...
    • jeudi, 30 juin 2016 22:18
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Gaboraraka ny fitateram-bahoaka

    Mitaraina ny mpandeha fitateram-bahoaka fa tsy misy intsony ny fanomezana hasina sy ny zon’ny mpandeha hatramin'ny nisokafan’ny tsenan-davanila ny 20 jona lasa teo. Toy ny mampiditra biby ao am-bala no ampidirana ny mpandeha amin'ny fiara fitaterana ao Sambava. Hita izany isan'andro na eny amin’ny fiarakaretsaka na ny bus. Vokany, misesy ny lozam-pifamohivoizina. Dia aleo ve izany hitsabo toy izay hisoroka manoloana ity gaboraraka ity fa tena mampiteny ny moana ny fifamoivoizana ao Sambava.
    Lire la suite ...
Page 451 sur 514