Tselatra

  • Mpivarotra rongony avy any Itampolo Toliara
    Mpivarotra rongony avy any Itampolo Toliara
    • mardi, 20 octobre 2015 21:59
    • Photo: Sobika Toliara

    Toliara : Tovolahy nitondra rongony 10kg avy any Itampolo–Ampanihy tra-tehaka

    Fihetsika mampiahiahy nataona tovolahy iray 23 taona nibaby sakaosy be amin’ny andro alim-be, omaly alatsinainy, no nanaitra ny mpitandro ny filaminana. Rehefa nosavaina dia rongony 10kg no tao anatiny. Rongony nalaina avy any Itampolo Distrikan’Ampanihy ary haterina ao Toliara.
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 octobre 2015 20:09
    • Photo: Sobika

    Dobon-drano ny faritra maro vao avy ny orana

    Manomboka ny fahavaratra, miha-miakatra ny rano, simba ny lalana, ny fahandriam-pahalemana tsy milamina.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 octobre 2015 20:50
    • Photo: Njaka

    INTERNES Mitokona

    Mitaky ny tambi- karamany efa-bolana, ary mety hanatanteraka fitokonana faobe raha mbola tsy voavaha ny olana, marihina fa eo amin’ny 600 eo ireto mpitsabo voakasik’izany.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 octobre 2015 19:59

    Kaominina Ambatondrazaka : Hifadanja ny hery

    Lasan’ny antoko RTM sy ny tsy miankina ny fitantanana ny biraon’ny Filankevitry ny tanànan’Ambatondrazaka, taorian’ny fifidianana natao ny faran’ny herinandro teo. Nanambara izy ireo fa ho naman’ny Ben’ny tanàna, izay TIM, eo amin’ny fampandrosoana ny tanànan’Ambatondrazaka fa tsy hitsikera fotsiny saingy hanara-maso ny fomba fiasan’ny mpanatanteraka.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 octobre 2015 19:55
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Manandona-Antsirabe II: Nasainy naolana teo imasony ny anabaviny

    Voasambotry ny Zandary tao Antanetinilapa, Kaominina Ibity ny faran’ny herinadro teo ny dahalo mandravarava amin’iny faritra Manandona sy Ibity iny. Niainga tamin’ny fanafihana tokatrano iray ny sabotsy 10 Oktobra ny fikarohana azy ireo. Ny anabavin’ny iray tamin’ireo dahalo ihany moa no notafihin’izy ireo tamin'io. Tsy vitan’izay fa sady nambanana basy no naolana ilay ramatoa. Taorian’izay dia nalain’izy ireo ny vola 60.000 Ar tao an-trano. Nametraka fitoriana ilay ramatoa ka nanomboka teo ny fikarohana. Voasambotra niaraka tamin’ny basy vita gasy iray izy roalahy, rehefa nanaovan’ny zandary velampandrika. Photo Sobika
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 octobre 2015 15:40
    • Photo: Net

    Kiranomena Morafenobe : Dahalo telo matin’ny miaramila

    Telo maty, roa naratra, ny ambiny nitsoaka. Ireo no vokatry ny fifandonan’ny dahalo sy ny mpitandro ny filaminana taorian’ny halatr’omby nataon’ny dahalo tany amin’ny Kaominina Kiraomena, Distrikan’i Morafenobe ny faran’ny herinandro teo. Tafaverina amin’ny tompony ny omby 130 nangalarin’izy ireo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 octobre 2015 12:10
    • Photo: Net

    Ampefiloha : Fampahafantarana ny sekoly ambony «THR»

    Hotanterahina ny talata 20 oktobra 2015 ao amin’ny Complexe scolaire Ampefiloha ny fisian’ny sekoly ambony «THR» ao an-toerana izay manomana BTS amin’ny Tourisme, Hôtellerie, Restauration (THR).   Ity sekoly ambony «THR» ity dia iaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Asa, Fampianarana Teknika ary ny Fampiofanana arak’asa.
    Lire la suite ...
  • Ambanja tsy misy rano
    Ambanja tsy misy rano
    • lundi, 19 octobre 2015 08:27
    • Photo: Sobika Ambanja

    Mikasa ny hitokona tsy andoa faktira Jirama ny ao Ambanja.

    Vao maraina dia tapaka sahady ny jiro. Matetika dia maharitra 5 ora, ary mbola tapaka rehefa oran'ny vaovao, maharitra ora 3.   Ny aty Ambanja dia tsy misy rano, fa vovo no atsakana, ny jiro dia zara raha mandeha.   Efa mihevitra ny hanao fitokonana tsy andoa ny faktira Jirama ny mponina satria sady tsy zarizary ny tolotra, nefa nidangana ny vidiny, ny fandaniana anefa nihena satria delestazy, ny fitaovana tapitra simba avokoa. Mametram-panontaniana ny maro ny hoe atao inona moa izany ny abonnement aloa?    
    Lire la suite ...
  • 67 ha
    67 ha
    • dimanche, 18 octobre 2015 22:32
    • Photo: FB

    Trano may 67ha ny maraina teo.

    Nananosarotra ny famonoana ny afo noho ny fahateren'ny toerana tsy nahafahan'ny fiarabe mpamono afo manantona.
    Lire la suite ...
  • Fifidianana hatrany anaty bus maty any Guinée
    Fifidianana hatrany anaty bus maty any Guinée
    • dimanche, 18 octobre 2015 19:21
    • Photo: Net

    Fifidianana Filoham-pirenena Gineanina :

    Alpha Condé, Filoha am-perin'asa any Guinée, premier tour dia vita
    Lire la suite ...
Page 450 sur 464