Tselatra

    • lundi, 08 avril 2019 21:55
    • Tahirin-tsary nindramina

    Oniversite an'Antananarivo: Hikatona tanteraka ny vavahady manomboka ny talata 09 Aprily 2019

    Nanao fanambarana ao amin’ny pejiny facebook ny SECES Sampana Antananarivo androany, milaza fa hitohy ny fitokonan’izy ireo. Hikatona tanteraka ny vavahadin'ny Oniversite an'Antananarivo manomboka rahampitso talata 09 Aprily 2019. Vao maika izany hikatso tanteraka ny fampianarana ambaratonga ambony eto Antananarivo. Anton’izao fitokonana izao, raha ny fanazavana hatrany dia “tsy ampy ny Mpampianatra sy Mpikaroka, tsy misy anefa ny fandraisana vaovao”. “Ireo am-perin'asa nahavita be tamin'ny fanompoana tsy hasondrotra noho ny fikatsoan'ny ''reclassement'' sy ''avancement'' navoakan'ny Ministeran'ny toe-karena sy vola ary ny teti-bola”. Ary “Ireo Zokiolona manana traik'efa tsy avela hanohy satria nofohanana ny ''maintien en activité''. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 21:43
    • Sary nindramina

    Tiako i Madagasikara: Olga Ramalason no Sekretera jeneraly vonjimaika

    Nampahafantarina androany tao amin'ny foiben-toeran'ny Tiako i Madagasikara, eo Bel'Air Antananarivo ny Sekretera jeneraly vonjimaikan'ny antoko dia Ramalason Olga. Nametra-pialana tamin'ny 16 febroary 2019 ny Sekretera jeneraly tompon-toerana, Andriamahefaparany Olivier Donat. Vonjimaika ihany ny fanendrena natao hoy i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin'ny Tiako i Madagasikara, mandrampahatonga ny kongresy nasionalin'ny antoko hifidianana ireo tomponandraikitra samihafa. Loholon'i Madagasikara i Olga Ramalason. Efa minisitry ny varotra teo aloha, efa Ben'ny tanànan'ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe ihany koa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 17:07

    Ambanja: Nohamafisina ny fisavana amin'ny alina

    Tsy mandry fahalemana aty amin'ny faritra Sambirano, indrindra amin'izao ankatoky ny fisokafan'ny taom-piotazana lavanila izao. Nohamafisina ny fitandroana fahalemana ary maromaro ny fepetra noraisina momba izany. Misy ny andrimasom-pokokolona isam-pokontany miambina isak'alina. Misy fisavana kara-panondro ho an'ireo mivezivezy amin'ny alina. Tsy maintsy mikatona amin'ny 9ora alina ny Bar.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 13:39
    • Sary: Dada Jul

    Andapa (RN5A): Kamiao nitrongy tranon’olona, zaza roa matory maty tsy tra-drano

    Ny alahady 7 aprily efa hisasak’alina no niseho ny loza teo amin’ny tanàna somary anaty fiolahana hiditra an’Andapa, amin’ny lalam-pirenena faha-5A. Kamiao no namantana tany an-tranon’olona amin’ny andro alina, ny olona efa tapi-tory avokoa. Trano efatra no indray potika, nofaohin’ilay kamiao vao tafajanona. Zaza roa tao anaty torimaso, maty tsy tra-drano, ankoatra ireo naratra. Nisy fiara simba ihany koa. Nitsoaka ny mpamily taorian’ny loza. Misokatra ny fanadihadiana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 12:04

    Fifandonana tamin’ny dahalo: Nodimandry i Sergent Chef Tafita Jean de La Croix

    Nodimandry androany maraina ilay miaramila Sergent Chef naratra mafy rehefa nifanehitra tamin’ny dahalo tany Maintirano tamin’ny alarobia 3 aprily lasa teo. Miaramila tao amin’ny « Détachement » faritr’i Andreha i Sergent Chef Tafita Jean de La Croix. Nanenjika dahalo izy ireo tamin’io andron’ny alarobia io. Miaramila efa-dahy izy ireo, ary i Sergent Chef Tafita Jean de La Croix no mpitarika azy ireo. Nitsofoka tamina trano ny dahalo iray nenjehin’izy ireo dia narahiny, kinanjo maro ireo dahalo efa tao amin’ilay trano, ka nifandrimbonan’ireo nodarohana tao ity Sergent ity vao tafiditra. Ny lohany no tena voa mafy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 avril 2019 22:14
    • Sary: Lianah Brandy

    Pierrot Matatana: Marary mafy tsaboina ao Befelatanana

    I Lianah Brandy na Lianah, araka ny ahafantaran’ny maro azy eo amin’ny sehatry ny mozika, no nampahafantatra sy manao antso avo ao amin’ny pejiny facebook, amin'ny fifanomezan-tanana, fa marary mafy tsaboina ao amin’ny hopitaly Befelatanana Antananarivo, sampana “Cardiologie bâtiment USiC, varavarana faha-109", i Pierrot Matatana. “Tsentsina lalandra amin’ny fo” no mahazo ity farany, ary “tsy maintsy entina any ivelany ny fitsaboana” ka ilana vola 50.000.000 Ar na 250.000.000 Fmg. Mpihira sady mpamoronkira miara-miasa amina mpanakanto maro i Pierrot Matatana.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 avril 2019 09:03

    Jirama: Tanàna maromaro nahazo fampilazana fahatapahan-jiro anio

    Ho fanatsarana ny kalitaon'ny fitsinjarana herinaratra izay tsy maintsy atao, ka anoloana ireo andrinjiro hazo ho « béton », no antony nambaran’ny Jirama mitarika io fanapahan-jiro io anio Alahady 07 aprily, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 5 ora hariva ny amin'ireto faritra manaraka ireto sy ny manodidina azy akaiky :
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 avril 2019 20:32

    Fahasalamana: 6% ny taham-pahafatesana manerantany vokatry ny tsy fanaovana spaoro

    Ankalazaina isan-taona isaky ny 6 Aprily ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahan-tena mivoy ny fandriam-pahalemana sy ny fampandrosoana maharitra.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 avril 2019 20:17
    • Sary: Jirama

    Antsirabe: Niverina ny famatsiana herinaratra

    Nanomboka tamin’ny 5 ora hariva teo no niverina nirehitra ny jiro teto an-drenivohitr'i Vakinankaratra, rehefa tapaka nanomboka tamin'ny 10 ora maraina noho ny fahasimban'ny fitaovana. Tonga nitsidika ireo fitaovana nisy fahasimbana teto amin’ny foibe famokaran'ny Jirama Antsirabe androany ny Minisitra mpisolo toerana ny Minisitry ny Angovo, ny Rano, ny Akoran’afo; notarihin’ny Tale iraisam-paritry ny Jirama Vakinankaratra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 avril 2019 18:48

    Maroantsetra: Miitatra ny sakoroka

    Amin'izao fotoana izao efa misy trano araiky hafa indray mirehitra ao Tanambao, raha tao Ankiakandrefana no nisy may teo.  
    Lire la suite ...
Page 5 sur 406