Tselatra

    • lundi, 14 mars 2016 17:28
    • Photo: Sobika Marolambo

    Marolambo : Ataon’ny HVM fakana vato fotsiny

    Distrika iray tena mamokatra kafe, akondro, ary ny vary ao anatin’ny faritra Atsinanana i Marolambo.Matanjaka ary anisany malaza ihany koa io Distrika io amin'ny fananany harena ankibon'ny tany toy ny volamena sy ny sisa.Raha eo amin'ny lafiny fampandrosoana anefa dia toa lasa ankilabao ary tsy jerena mihintsy aza io Distrika io satria tato anatin'ny 50 taona mahery dia tsy afaka mifanerasera malaka amin'ireo Distrika manodidina azy ireo mponina ao amin’io Distrika io noho ny haratsin’ny lalana. 
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 mars 2016 16:44
    • Photo: Njaka

    Orinasa DHL sy ny mpanao gazety

    Io maraina io no nanatanterahana ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao teo anivon’ny orinasa DHL sy ny mpanao gazety tetsy amin’ny hôtel IBIS Ankorondrano.Nisy araka izany ny lanonana sy fiarahana nisakafo izay narahana fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo mpanao gazety izay efa niara-niasa maharitra tamin’ny DHL.Lanonana izay nafanain’i Olombelo Ricky
    Lire la suite ...
  • Tanora Adventista Sambava
    Tanora Adventista Sambava
    • samedi, 12 mars 2016 21:56
    • Sary Sobika Sambava

    Finoana : Nanao asa soa ny Tanora Adventista Sambava

    Nomarihina androany 12 martsa 2016 ny andro manerantany ho an'ny Tanora Adventista Mitandrina ny andro fahafito, ka tsy diso anjara tamin'izany ny tao Sambava. Tanora manodidina eo amin'ny 200 eo no nanao asa soa ka nizara savony, vovon-tsavony, labozia ho an’ireo mponina ao amin'ny Fokontany Ambolimadinika, Kaominina Nosiariarina. Anio tolakandro ihany koa no nitsidika ireo tokantrano ireo ny Tanora.
    Lire la suite ...
  • Gazety Le Citoyen
    Gazety Le Citoyen
    • samedi, 12 mars 2016 14:47
    • Sary Njaka

    Mitombo isa ny gazety an-tsoratra: Le Citoyen

    Naseho omaly hariva ny gazety an-tsoratra, manohana ny fitondrana HVM, izay mivoaka isan'andro mitondra ny anarana hoe LE CITOYEN. Tonian'andahatsoratra Andry Razah, Talé: Johary Rakotonirina, Talén'ny serasera: Olivia Randriamiarisoa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 mars 2016 21:57
    • Sary Njaka

    Antenimierandoholona

    Hitondra inona ny fanovàna ny takela-by?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 mars 2016 16:08
    • Sary Sobika

    RN44 – Tetezan’i Bekatsaka : Lasa fihariana kely ho an’ny mponina

    Niteraka fidiram-bola ho an’ireo mponina mipetraka manamorona ny tetezan’i Bekatsaka amin’ny lalam-pirenena ny fahasimban’ilay tetezana. Eo anelanelana ny 2000 Ariary hatramin’ny 10.000 Ariary ny vola aloan’ny fiara iray miampita amin’ny tetezan-kazo namboarin’ny Fokonolona. Mbola somary taraiky rahateo ny fandraisan’andraikitr’ilay orinasa nahazo ny tolobidin’ny fanamboarana azy ka vao maika mahazo vahana ireo olona mivelona amin’ny fampitana fiara amin’izany tetezana izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 mars 2016 12:05
    • Photo: Njaka

    Vaksiny Polio : Mitohy ny fanentanana

    Notontosaina omaly maraina tetsy amin'ny DLC Anosy ny hetsika fanamafisana ny andron'ny vaksiny POLIO.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 mars 2016 12:04
    • Photo: Njaka

    Tsy fananan'asa

    Mbola misy ankehitriny ireny efitrano fijerena vidéo eny anelakelatrano, izay ahitana karazan'olona maro mpankafia. Matetika dia olona tsy an'asa no manary dia anatin'izy ireny. Ao kosa anefa no tena miala voly tanteraka.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 mars 2016 16:58
    • Photo: lambahoany.org

    Toamasina

    Polisy iray ndeha hody voaendaka, vaky loha ; jiolahy mpanendaka iray maty voatifitra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 09 mars 2016 14:10
    • Photo: fournie

    8 mars Ambovombe Androy

    Nankalaza ny andro iraisam-pirenena momba ny vehivavy ry zareo tany Ambovombe Androy na dia eo aza ny fahasahiranan'ny faritra manoloana ny Kere.Nandray anjara mavitrika tamin'izany ireo Vehivavy miaradia amin'i Filoha Andry Rajoelina sy ireo mivondrona ao amin'ny Reny mirailahatse.Tsy adinon'ny fokonolona any tokoa mantsy ireo tolo-tanana fanampiana nomeny niaraka tamin'ny Solombavambahoaka Jean Michel izay mbola mitety ireo fokontany mitondra ny vonjy aina avy amin'i Filoha Andry Rajoelina.
    Lire la suite ...
Page 394 sur 436