Tselatra

    • jeudi, 07 janvier 2016 11:57
    • Photo: brionsurthouet.unblog.fr

    Tsimenatse Toliara : Roalahy niady sipa nifanindrona antsy, niboraka tsinay ny iray

    Efa ela ireto tovolahy roa ireto no nanana lonilony nikotrika noho ny resaka vehivavy. Nifanena tamina toeram-pisotroana iray izy roalahy halina. Rehefa niakatra ny onjan’ny alikaola dia raikitra ny fifanasana vangy niafara tamin’ny fifanindromana antsy. Nitsoaka nanavotr’aina ilay nandratra noho ny tahotra fitsaram-bahoaka, ka mbola karohina hatramin’izao. Manaraka fitsaboana kosa ilay tovolahy voatsindrona antsy niboraka tsinay.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2016 22:49
    • Photo: panoramio.com

    Brickaville

    Very ny « tablette » niisa 50 tao amin'ny lycée.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2016 22:44
    • Photo d'Archives Sobika

    Bakalorea : Hiakatra 25% ny saram-pisoratana anarana

    Veloma ry fampianarana maimaimpoana. Dia efa mila miomana ny mpiadina bakalorea amin’ity taona 2016 ity, fa hisondrotra ny saram-pisoratana anarana araka ny fanambarana navoakan’ny Ofisin’ny bakalôrea. 11% ny fisondrotana ho an’ireo kandida vahiny, 25% ho an’ireo mpifaninana atolotry ny sekoly ary 67% kosa ho an’ireo kandida tsy miankina.Miatanatohatra hatramin'ny 100 000 ariary na 500 000 fmg izany sarany izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2016 22:40
    • Photo: fb

    Feramanga Avaratra : Ankizy roa maty tao anaty lava-biriky

    Loza amin’atambo. Zaza roa, 8 taona sy 6 taona, sendra nilalao no latsaka tampoka tao anaty lavaka biriky, tsy nisy nanavotra tany Ambararata, Kaominina Feramanga Avaratra, Distrikan’Ambatondrazaka omaly. Olona sendra nandalo no nahita ny fatin’izy roa efa mitsingevana amin’ny rano.
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 janvier 2016 20:22
    • Sary nomena

    Ambatondrazaka : Dahalo 12 lahy nidoboka am-ponja

    Nisehoana halatr’omby tao Amparimaro, Fokontany Ambodifarihy, Kaominina Ampasikely, Distrikan’Ambatondrazaka ny 22 desambra 2015. Omby 12 no very. Nanao fanarahan-dia ny zandary. Nifanehatra tao Ampanefy ny roa tonta, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany tafaverina amin’ny tompony ny omby rehetra, dahalo 12 voasambotra niaraka amin'ny bala sy fanafody gasy. Natolotra ny Fitsarana tao Ambatondrazaka androany ny raharaha ka notanana am-ponja vonjy maika izy 12 lahy.
    Lire la suite ...
  • Otrik'Afo - Fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina
    Otrik'Afo - Fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina
    • mardi, 05 janvier 2016 16:33
    • Photo Njaka

    Fitakiana ireo Nosy malagasy

    Nitsangana ny vondrona vaovao antsoina hoe: HETSIKA MADAGASIKARA MIARO IREO NOSY MALAGASY; Misy fikambanana 8 no ao anatiny ka antoko politika sy fikambanana no mandrafitra azy izay ahitana ny AKFM, Otrikafo, Aro Riaka, Fikambanana Andriana, Nosy Be Miray, KMFB, ASAR, CLE.
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 janvier 2016 13:41
    • Photo: mada24.mg

    Tapany atsimon'ny Nosy : Ahiana indray ny kere

    Ahiana indray ny hiverenan’ny mosary sy ny kere amin’ny tendrony atsimon’ny Nosy raha ny fanambaran’i Maka Alphonse. Efa ho tapa-bolana izay no tsy nirotsaka intsony ny orana tamin’ity faritra ity ary maina avokoa ny voly. Efa natao sakafo avokoa ny masim-boly ka raha miverina aza ny orana dia tsy misy ambolena intsony ny mponina. Efa tafakatra 1 800 ariary ny kilaon’ny vary ary 1 200 ariary ny mangahazo amin’ny faritra maro. Mangataka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ny mponina satria efa tsy misy hohanina intsony.
    Lire la suite ...
  • Tranona polisy ao Mahabibo Mahajanga
    Tranona polisy ao Mahabibo Mahajanga
    • lundi, 04 janvier 2016 20:53
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga : Tranona polisy kilan’ny afo

    Levon’ny afo tao anatin’ny indray mipi-maso ny fananan’ity polisy iray mipetraka ao Mahabibo androany. Ny afo efa niredareda no nanaitra ny manodidina. Sarotra ny famoahana ny entana satria ny efitrano teo afovoany no nipoiran’ny afo. May hatramin’ireo fanaka amidy manamorona ilay trano.
    Lire la suite ...
    • lundi, 04 janvier 2016 10:51
    • Photo: Njaka

    Hetsika fanesorana mpivarotra eny andalambe

    Araka ny fifanarahana efa roa volana lasa izay dia nidina vao maraina teny amin'ny lalana behoririka sy ny manodidina ny mpiasan'ny kaominina nanao hetsika fanalàna ireo mpivarotra eny andalambe. Raha ny filazan'ity ramatoa iray, tompon'andraikitra eo anivon'ny kaominina dia tao amin'ny tsenan'ny pochard ihany ireo olona mivarotra eo andalana ireo ka noho izany dia averina any amin'ny toerana misy azy avy izy ireo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 03 janvier 2016 20:26
    • Photo: kikaphotomada.net

    Sambava : 0lona 3 maty, 1 nohanin’ny voay

    Namono olona ny fitsenana ny taona vaovao 2016 tany Sambava. 2 matin’ny fibobohana toaka diso tafahoatra, 1 diso voky loatra. Nisy olona nohanin’ny voay niakatra an-tanety tany Ankitsaka, Kaominina Marojala.   Tovolahy iray ihany koa no voasambotrin’ny polisy fa nitondra basy ka nampiahiahy ny olona.
    Lire la suite ...
Page 365 sur 394