Tselatra

  • Ireo Zandary miady fo mifandona amin'ny dahalo
    Ireo Zandary miady fo mifandona amin'ny dahalo
    • samedi, 09 janvier 2016 22:29
    • Sary Sobika

    Mandoto : Ho tonga izao alina izao ny vatana mangatsikan’ilay zandary iray matin’ny dahalo

    Nifandona tany Imolo, tanàna ambanivolo any atsimon’i Beakanga, ao amin’ny Kaominina Vasiana, Distrikan’i Mandoto omaly ny zandary sy ny Fokonolona nanara-dia omby 80 very, ankilany, sy ny dahalo, andaniny. 
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 janvier 2016 22:19
    • Photo: orange.mg

    Vontovorona : Amin’ny talata mifankahita

    Hivory ny mpampianatra eny amin’ny Polyteknika Vontovorona amin’ny talata 12 janoary, ampitson’ny fifidianana ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Amin’io no hamantarana ny hoavin’ny fampianarana eny an-toerana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 08 janvier 2016 13:09
    • Photo d'Archives Sobika

    Iavoloha : Voakihana ny Governemanta

    Boky 40 pejy mahery no natolotry ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina teny Iavoloha nandritra ny Asaramanitra androany. Boky izay mirakitra ny asa vitan’ny governemanta nandritra ny taona 2015. "Rehefa nojereko dia nahavita betsaka isika, nefa maninona no tsy fantatry ny olona izany", hoy ny filoham-pirenena.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 07 janvier 2016 11:57
    • Photo: brionsurthouet.unblog.fr

    Tsimenatse Toliara : Roalahy niady sipa nifanindrona antsy, niboraka tsinay ny iray

    Efa ela ireto tovolahy roa ireto no nanana lonilony nikotrika noho ny resaka vehivavy. Nifanena tamina toeram-pisotroana iray izy roalahy halina. Rehefa niakatra ny onjan’ny alikaola dia raikitra ny fifanasana vangy niafara tamin’ny fifanindromana antsy. Nitsoaka nanavotr’aina ilay nandratra noho ny tahotra fitsaram-bahoaka, ka mbola karohina hatramin’izao. Manaraka fitsaboana kosa ilay tovolahy voatsindrona antsy niboraka tsinay.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2016 22:49
    • Photo: panoramio.com

    Brickaville

    Very ny « tablette » niisa 50 tao amin'ny lycée.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2016 22:44
    • Photo d'Archives Sobika

    Bakalorea : Hiakatra 25% ny saram-pisoratana anarana

    Veloma ry fampianarana maimaimpoana. Dia efa mila miomana ny mpiadina bakalorea amin’ity taona 2016 ity, fa hisondrotra ny saram-pisoratana anarana araka ny fanambarana navoakan’ny Ofisin’ny bakalôrea. 11% ny fisondrotana ho an’ireo kandida vahiny, 25% ho an’ireo mpifaninana atolotry ny sekoly ary 67% kosa ho an’ireo kandida tsy miankina.Miatanatohatra hatramin'ny 100 000 ariary na 500 000 fmg izany sarany izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 06 janvier 2016 22:40
    • Photo: fb

    Feramanga Avaratra : Ankizy roa maty tao anaty lava-biriky

    Loza amin’atambo. Zaza roa, 8 taona sy 6 taona, sendra nilalao no latsaka tampoka tao anaty lavaka biriky, tsy nisy nanavotra tany Ambararata, Kaominina Feramanga Avaratra, Distrikan’Ambatondrazaka omaly. Olona sendra nandalo no nahita ny fatin’izy roa efa mitsingevana amin’ny rano.
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 janvier 2016 20:22
    • Sary nomena

    Ambatondrazaka : Dahalo 12 lahy nidoboka am-ponja

    Nisehoana halatr’omby tao Amparimaro, Fokontany Ambodifarihy, Kaominina Ampasikely, Distrikan’Ambatondrazaka ny 22 desambra 2015. Omby 12 no very. Nanao fanarahan-dia ny zandary. Nifanehatra tao Ampanefy ny roa tonta, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany tafaverina amin’ny tompony ny omby rehetra, dahalo 12 voasambotra niaraka amin'ny bala sy fanafody gasy. Natolotra ny Fitsarana tao Ambatondrazaka androany ny raharaha ka notanana am-ponja vonjy maika izy 12 lahy.
    Lire la suite ...
  • Otrik'Afo - Fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina
    Otrik'Afo - Fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina
    • mardi, 05 janvier 2016 16:33
    • Photo Njaka

    Fitakiana ireo Nosy malagasy

    Nitsangana ny vondrona vaovao antsoina hoe: HETSIKA MADAGASIKARA MIARO IREO NOSY MALAGASY; Misy fikambanana 8 no ao anatiny ka antoko politika sy fikambanana no mandrafitra azy izay ahitana ny AKFM, Otrikafo, Aro Riaka, Fikambanana Andriana, Nosy Be Miray, KMFB, ASAR, CLE.
    Lire la suite ...
    • mardi, 05 janvier 2016 13:41
    • Photo: mada24.mg

    Tapany atsimon'ny Nosy : Ahiana indray ny kere

    Ahiana indray ny hiverenan’ny mosary sy ny kere amin’ny tendrony atsimon’ny Nosy raha ny fanambaran’i Maka Alphonse. Efa ho tapa-bolana izay no tsy nirotsaka intsony ny orana tamin’ity faritra ity ary maina avokoa ny voly. Efa natao sakafo avokoa ny masim-boly ka raha miverina aza ny orana dia tsy misy ambolena intsony ny mponina. Efa tafakatra 1 800 ariary ny kilaon’ny vary ary 1 200 ariary ny mangahazo amin’ny faritra maro. Mangataka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ny mponina satria efa tsy misy hohanina intsony.
    Lire la suite ...
Page 338 sur 367