Tselatra

    • mardi, 15 mars 2016 15:19
    • Photo d'Archives Net

    Antsongo-Antsirabe : Lehilahy iray hita faty teny amoron-tanimbary

    Lehilahy iray tokony ho 48 taona no hita faty teny amoron-tanimbary raha nikasa hody ny marainan’ny talata 15 marsa teo. Tsy nody ny alina ity raim-pianakaviana ity saingy olona no nahita azy nihohoka tao amoron-tanimbary ka nitsoka kiririoka vao maraim-be.
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 mars 2016 09:43
    • Photo: Sobika Sambava

    Ambohimalaza - Sambava : Tovolahy tratra ambodiomby nangalatra lavanila maitso

    Nifanehatra tamin’ny tompony izay sendra niambina, ilay tovolahy ka dia noraisim-potsiny teo ampiotazana lavanila maitso natao anaty gony, tany Antsahalalina Kaominina ambanivohitra Ambohimalaza. 14kg eo ny lavanila maitso efa voatangony. Naterina any amin’ny zandary Sambava ilay mpangalatra, ka ny Ben’ny tanànan’Ambohimalaza, Biva Marcelin, mihitsy no nanira-tena nanolotra ilay mpangalatra tamin’ny zandary ary nangataka mba tsy hisy raharaham-pihavanana amin’ity resaka halatra lavanila ity.
    Lire la suite ...
  • Matsakambanja – Mitsinjo
    Matsakambanja – Mitsinjo
    • lundi, 14 mars 2016 18:51
    • Sary Sobika Mahajanga

    Matsakambanja – Mitsinjo : Fanafihana mitam-basy

    Efa-dahy voasambotra niaraka tamin’ny basy sy fanamiana zandary fitondran’izy ireo manao fanafihana mitam-basy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 mars 2016 17:34
    • Photo: Sobika Antsirabe

    Paka Antsirabe: Hangotraka tanteraka indray

    Manomboka mihetsiketsika Antsirabe amin’ny fandraisana ny Fetin’ny Paka na ny Paska 2016 izany.  Saika efa maromaro ny fandaharam-potoana hita sy re etsy sy eroa. Isan’ny goavana amin’izany ny THB Tour 2016 fanaon’ny orinasa mpamokatra labiera fanta-daza eto Madagasikara, izay hifanindran-dalana amin’ny fampisehoana ara-javakanto miaraka amina artista malaza.
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 mars 2016 17:28
    • Photo: Sobika Marolambo

    Marolambo : Ataon’ny HVM fakana vato fotsiny

    Distrika iray tena mamokatra kafe, akondro, ary ny vary ao anatin’ny faritra Atsinanana i Marolambo.Matanjaka ary anisany malaza ihany koa io Distrika io amin'ny fananany harena ankibon'ny tany toy ny volamena sy ny sisa.Raha eo amin'ny lafiny fampandrosoana anefa dia toa lasa ankilabao ary tsy jerena mihintsy aza io Distrika io satria tato anatin'ny 50 taona mahery dia tsy afaka mifanerasera malaka amin'ireo Distrika manodidina azy ireo mponina ao amin’io Distrika io noho ny haratsin’ny lalana. 
    Lire la suite ...
    • lundi, 14 mars 2016 16:44
    • Photo: Njaka

    Orinasa DHL sy ny mpanao gazety

    Io maraina io no nanatanterahana ny fifampiarahabana tratry ny taona vaovao teo anivon’ny orinasa DHL sy ny mpanao gazety tetsy amin’ny hôtel IBIS Ankorondrano.Nisy araka izany ny lanonana sy fiarahana nisakafo izay narahana fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo mpanao gazety izay efa niara-niasa maharitra tamin’ny DHL.Lanonana izay nafanain’i Olombelo Ricky
    Lire la suite ...
  • Tanora Adventista Sambava
    Tanora Adventista Sambava
    • samedi, 12 mars 2016 21:56
    • Sary Sobika Sambava

    Finoana : Nanao asa soa ny Tanora Adventista Sambava

    Nomarihina androany 12 martsa 2016 ny andro manerantany ho an'ny Tanora Adventista Mitandrina ny andro fahafito, ka tsy diso anjara tamin'izany ny tao Sambava. Tanora manodidina eo amin'ny 200 eo no nanao asa soa ka nizara savony, vovon-tsavony, labozia ho an’ireo mponina ao amin'ny Fokontany Ambolimadinika, Kaominina Nosiariarina. Anio tolakandro ihany koa no nitsidika ireo tokantrano ireo ny Tanora.
    Lire la suite ...
  • Gazety Le Citoyen
    Gazety Le Citoyen
    • samedi, 12 mars 2016 14:47
    • Sary Njaka

    Mitombo isa ny gazety an-tsoratra: Le Citoyen

    Naseho omaly hariva ny gazety an-tsoratra, manohana ny fitondrana HVM, izay mivoaka isan'andro mitondra ny anarana hoe LE CITOYEN. Tonian'andahatsoratra Andry Razah, Talé: Johary Rakotonirina, Talén'ny serasera: Olivia Randriamiarisoa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 mars 2016 21:57
    • Sary Njaka

    Antenimierandoholona

    Hitondra inona ny fanovàna ny takela-by?
    Lire la suite ...
    • jeudi, 10 mars 2016 16:08
    • Sary Sobika

    RN44 – Tetezan’i Bekatsaka : Lasa fihariana kely ho an’ny mponina

    Niteraka fidiram-bola ho an’ireo mponina mipetraka manamorona ny tetezan’i Bekatsaka amin’ny lalam-pirenena ny fahasimban’ilay tetezana. Eo anelanelana ny 2000 Ariary hatramin’ny 10.000 Ariary ny vola aloan’ny fiara iray miampita amin’ny tetezan-kazo namboarin’ny Fokonolona. Mbola somary taraiky rahateo ny fandraisan’andraikitr’ilay orinasa nahazo ny tolobidin’ny fanamboarana azy ka vao maika mahazo vahana ireo olona mivelona amin’ny fampitana fiara amin’izany tetezana izany.
    Lire la suite ...
Page 325 sur 367