Tselatra

    • mardi, 29 mars 2016 09:52

    29 marsa

    Fankalazana ny faha 69 taonan'ny tolom-panafahana 1947.
    Lire la suite ...
    • lundi, 28 mars 2016 22:07
    • Sary Njaka

    Alatsinain'ny Paka

    Maro ireo olona nisafidy ny hitsidika ny Rovan'ny Manjakamiadana na dia tsy misy hotsidihina firy intsony aza, milaza izy ireo fa mba tsy hisian'ny fandaniana vola be loatra sy ny olana ara-pitanterana dia nisafidy ny ho eny.
    Lire la suite ...
  • Jovenna Ambohimandamina
    Jovenna Ambohimandamina
    • samedi, 26 mars 2016 08:43
    • Sary Sobika Mahajanga

    Jovenna Ambohimandamina Mahajanga

    Nirehitra omaly ny fivarotana teo amin'ny fivarotan-dasantsy Jovenna Ambohimandamina Mahajanga. Potiky ny afo tanteraka ilay toeram-pivarotana sy fiara roa nipetraka teo ivelany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 24 mars 2016 10:50

    29 Martsa 1947 : Fampirantiana an-tsary

    Ho tanterahina anio etsy amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy ary tsy hifarana raha tsy ny 26 martsa ho avy izao ny fampirantiana an-tsary mahakasika ny tolon'ny 29 martsa 1947 izay karakarain'ny ANTA.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 mars 2016 14:10
    • Photo: Sobika

    Erica: Mety ho avotra ny masony ilany

    Vita soamantsara ny fandidiana ny mason'i Erica, salama tsara izy hoy ireo mpitsabo azy, saingy ny masony ilany havia no voavonjy ka tokony mbola ahita, fa ny havanana no afaka tanteraka tao anaty maso ka tsy hita ny nasiandrainy azy. Naneho fisaorana ho an'ireo rehetra nanampy azy ny renin'i Erica kely, nisaotra ny mpitsabo sy ny fitondram-panjakana ihany koa izy.Ny rain'ilay zaza nanala ny mason-janany vao 4 taona tamin'ny alahady teo moa dia nahiditra eny Tsiafahy.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 mars 2016 12:49
    • Photo: Sobika Manakara

    Manakara : Jerem-potsiny ilay tetezam-by nirodana

    Tsy misy fanantenana amin'ny ahavitan'ity tetezam-by goavam-be eto Manakara ity intsony ny mponina amin'ny mety halafon'ny tetimbidin'izany. Etsy andaniny dia efa nanao tetezana vonjimaika mety haharitra ao amin'ny Port Manakara ny tompon'andraikitra ka io no miasa amin'izao fotoana rehefa hiampita ho any Manakarabe. 100 Ariary kosa ny fiampitan'ny mponina amin'ny lakana eo ambanin'ny tetezam-by teo aloha. Efa nisy ihany moa fanamboarana lalana ho an'ny mpandeha tongotra teo amin'io tetezana io fa rehefa tapaka ihany koa ilay ilany atsinanana dia vola very ihany ary tsy miasa intsony koa.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 23 mars 2016 11:49
    • Photo: Njaka

    Ambodin'Isotry : Lasa fivarotana hatreny an'elakelantrano

    Mihamaro ireo tonta kely sy mpanao sinto-mahery eny amin’iny faritra Ambodin'Isotry iny noho ireo mpivarotra friperie mitobaka hatreny amin'ny elakelatrano falehan’ny olona. Tsy afa-mankaiza anefa ireo mpivarotra efa maherin’ny dimampolo eo ho eo noho ny tsy fisian'ny asa ka mivelona amin'ny varotra. Amin’izao vaninandro fety izao anefa no manjaka tanteraka ireo mpanao asa ratsy, koa mila mitandrina ireo mpiantsena.
    Lire la suite ...
  • Tafika Masina lehibe ataon’ireo Tanora Adventista
    Tafika Masina lehibe ataon’ireo Tanora Adventista
    • mardi, 22 mars 2016 22:40
    • Sary Sobika Sambava

    Finoana : Tafika Masina lehibe ataon’ireo Tanora Adventista

    Tafika Masina lehibe no ataon’ireo Tanora Adventista miisa 210 avy any Antalaha sy Sambava. Milasy any Masovariaka Kaominina ambanivohitra Farahalana izy ireo nanomboka androany ary haharitra herinandro. Ny Chef Zèbre izay mifehy ny Tanora Adventista ato amin’ny District Sambava sy Antalaha no mitarika ny lasy. Tafiditra ao anatin'ny tetik’asa ny hanorenana Fiangonana amin’ity vohitra ity rehefa mirava amin’ny 27 marsa 2016. Ny lohahevitra hofakafakaina mandritra izany dia ny hoe : « Inona no Marina ? ».
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 mars 2016 09:15
    • Sary Sobika

    Behoririka : Lalana tapaka

    Tapaka noho ny asa fanamboarana ny lalana etsy Behoririka. Tsy afaka midina eo amin'ny lalana ranomaimbo ny fiara fa miodina any Tsiazotafo. Vao tamin'ny 7ora sy sasany maraina dia efa nitohana ny fifamoivoizana.  Maro be ireo mpiasa no tara noho ny fitohanana ary nanambara ireo mpitatitra fa tsy nisy ny fampilazana mialoha.
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 mars 2016 16:38
    • Photo: Illustration Net

    Toliara : Ankizivavy 11 taona tratra nangalatra henan’omby

    Tendrom-po tsy mba namana. Ankizivavy vao 11 taona no naratra mafy ny alahady nisandratr’andro teo tany Toliara, nodarohana mpivaron-kena. Voalaza fa nangalatra henan’omby namidin’ity lehilahy ity ilay tovovavy kely sy ny zandriny. Tezitra ilay mpivaron-kena ka nakapony tamin’ny takalana fivarotany ny lohan’ilay zaza ka niboba rà sady nivonto ny tapikandriny. 
    Lire la suite ...
Page 324 sur 368