Tselatra

    • mercredi, 10 avril 2019 20:15
    • Sary: MEDD

    Zana-tsokatra sarona teny Fasankarana: Karohina ny tompon’ny io entana io

    Teny amin’ny Toby fiantsonan’ny taksiborosy Fasankarana Antananarivo no tra-tehaka ireo zana-tsokatra Astrochelys radiata miisa 82 ny marainan’ny sabotsy 06 Aprily 2019 teo. Valizy iray nampiahiahy saika hampidirina tao anaty Taxi no nahitana azy ireto. 79 no velona tamin'ireo sokatra ireo ary efa noraisin'ny TSA (Turtle Survival Alliance) an-tanana ny fikarakarana azy alohan'ny hamerenana azy any atsimo, izay toerana niaviany.Ao anatin’ny fikarohana ny tompon’ny io entana io ny manam-pahefana ankehitriny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 avril 2019 16:39
    • Sary: Nadia Bakoly

    Ilaka-Est: Fako simika sa inona ?

    Gaga ny olona nahita ity « citerne » be tsy fanta-pihaviana fefika teto amin’ny torapasika Ilaka-Est, Distrikan’i Vatomandry ity ny Talata 9 aprily 2019. Ny sasany nandinika ny fihavian'ity citerne ity, tao ny nanao tazan-davitra, ao ireo efa miketrika hitetika ilay vy be hamidy amin'ny kilao sitrany ahay vola. Betsaka ny fanontaniana toy ny hoe : sao mba fako nisy simika nariana antsokosoko taty amin’ny fari-dranomasitsika Malagasy ka hampidi-doza koa anairana ny manampahefana mba hanadihady sy hanome fanazavana mba tsy hampiroaroa saina ny mponina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 avril 2019 15:41

    Tsaratanana: Jiolahy roa mpaka an-keriny maty voatifitra

    Lehilahy roa mpaka an-keriny sady mpanao fanafihana mitam-piadiana, izay efa nokarohana tany amin’ny Distrikan’i Tsaratanana, ary namana akaikin’ilay jiolahy mpaka an-keriny atao hoe : “DEL”, no lavo noho ny fiaraha-miasan’ny Zandary any an-toerana sy miaramilan’ny Tafika Malagasy izay manao hetsika any an-toerana ny sabotsy 05 aprily 2019. Vehivavy iray izay mpiray tsikombakomba amin’izy ireo amin’ny famatsiana ody gasy sy basy koa no voasambotra nandritra izany ka basy fitondra mihaza mitotaly 03, fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsiny no nogiazana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 avril 2019 15:40

    Maroantsetra : Vaky ny fonja, enin-dahy tafaporitsaka

    Nanararaotra ny orambe nilatsaka sy ny jiro tapaka tamin’ny alina ireo voanfoja, nanendaka tafon-trano ary avy eny no nitsambikina ary nitsoaka. Samy tsy mbola misy voatsara izy enin-dahy. Ny iray amin’ireo, izay namono PARAMED no nidirany am-ponja, efa nitsoaka ny fonja tamin’ny 2017 saingy voasambotra tany SAVA ary naverina ao am-ponja, dia izao mbola tafatsoaka izao indray. Mandeha ny fikarohana amin’izao fotoana izao. Nohamafisina ihany koa ny fiambenana, sady nanamboatra ny simba.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 09 avril 2019 12:21

    Fasankarana: Sokatra “radiata” 82 sarona

    Tao anaty valizy, tonga avy any Atsimo Andrefana ireo sokatra ireo, ary efa tao anaty fiarakaretsaka hoentina toeran-kafa no sarona, rehefa nahatsikaritra fihetsika hafahafa ny Polisy miasa eny amin’ny tobim-piantsonana fiarakodiana Fasankarana Antananarivo, ny sabotsy 6 aprily 2019. Sokatra amin’ny karazany “radiata” miisa 82 no tao, rehefa nosavaina. Maty ny 3 tamin’ireo. Efa nalefa any amin’ny toby fanaraha-maso ny biby, izay eo ambany fiahian’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ireo sokatra velona. Sokatra miisa 219 no sarona hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, saika haondrana an-tsokosoko.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 22:07

    Korontana tany Maroantsetra

    Nanao fanambarana androany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 21:55
    • Tahirin-tsary nindramina

    Oniversite an'Antananarivo: Hikatona tanteraka ny vavahady manomboka ny talata 09 Aprily 2019

    Nanao fanambarana ao amin’ny pejiny facebook ny SECES Sampana Antananarivo androany, milaza fa hitohy ny fitokonan’izy ireo. Hikatona tanteraka ny vavahadin'ny Oniversite an'Antananarivo manomboka rahampitso talata 09 Aprily 2019. Vao maika izany hikatso tanteraka ny fampianarana ambaratonga ambony eto Antananarivo. Anton’izao fitokonana izao, raha ny fanazavana hatrany dia “tsy ampy ny Mpampianatra sy Mpikaroka, tsy misy anefa ny fandraisana vaovao”. “Ireo am-perin'asa nahavita be tamin'ny fanompoana tsy hasondrotra noho ny fikatsoan'ny ''reclassement'' sy ''avancement'' navoakan'ny Ministeran'ny toe-karena sy vola ary ny teti-bola”. Ary “Ireo Zokiolona manana traik'efa tsy avela hanohy satria nofohanana ny ''maintien en activité''. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 21:43
    • Sary nindramina

    Tiako i Madagasikara: Olga Ramalason no Sekretera jeneraly vonjimaika

    Nampahafantarina androany tao amin'ny foiben-toeran'ny Tiako i Madagasikara, eo Bel'Air Antananarivo ny Sekretera jeneraly vonjimaikan'ny antoko dia Ramalason Olga. Nametra-pialana tamin'ny 16 febroary 2019 ny Sekretera jeneraly tompon-toerana, Andriamahefaparany Olivier Donat. Vonjimaika ihany ny fanendrena natao hoy i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin'ny Tiako i Madagasikara, mandrampahatonga ny kongresy nasionalin'ny antoko hifidianana ireo tomponandraikitra samihafa. Loholon'i Madagasikara i Olga Ramalason. Efa minisitry ny varotra teo aloha, efa Ben'ny tanànan'ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe ihany koa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 17:07

    Ambanja: Nohamafisina ny fisavana amin'ny alina

    Tsy mandry fahalemana aty amin'ny faritra Sambirano, indrindra amin'izao ankatoky ny fisokafan'ny taom-piotazana lavanila izao. Nohamafisina ny fitandroana fahalemana ary maromaro ny fepetra noraisina momba izany. Misy ny andrimasom-pokokolona isam-pokontany miambina isak'alina. Misy fisavana kara-panondro ho an'ireo mivezivezy amin'ny alina. Tsy maintsy mikatona amin'ny 9ora alina ny Bar.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 13:39
    • Sary: Dada Jul

    Andapa (RN5A): Kamiao nitrongy tranon’olona, zaza roa matory maty tsy tra-drano

    Ny alahady 7 aprily efa hisasak’alina no niseho ny loza teo amin’ny tanàna somary anaty fiolahana hiditra an’Andapa, amin’ny lalam-pirenena faha-5A. Kamiao no namantana tany an-tranon’olona amin’ny andro alina, ny olona efa tapi-tory avokoa. Trano efatra no indray potika, nofaohin’ilay kamiao vao tafajanona. Zaza roa tao anaty torimaso, maty tsy tra-drano, ankoatra ireo naratra. Nisy fiara simba ihany koa. Nitsoaka ny mpamily taorian’ny loza. Misokatra ny fanadihadiana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 4 sur 406