Tselatra

    • lundi, 25 avril 2016 20:14
    • Sary Njaka

    Rado Rabarilala: Ampy izay

    Mbola manohy ny fitokonany ihany koa ireo Mpitarika sendika eo anivon’ny Air Madagascar ka tonga nanampy azy ireo teny ihany koa ireo fikambanan’ny mpivarotra sy ny antoko Aro riaka izay mitokona ihany koa noho ny antony nitazoman’ireo polisin’ny kaominina ny naman’izy ireo, mitaky ny amoahana ny namany izy ireo teny Analakely io atoandro io.
    Lire la suite ...
    • lundi, 25 avril 2016 15:52
    • Photo: Njaka

    Fitateram-bahoaka: Nitokona ny zotra 172 - 137 - ligne F

    Vao manomboka ny herinandro dia fitokonana no hita teto Antananarivo sy ny manodidina; ny zotra 172 - 137 - ligne F no nanao fitokonana io maraina io tetsy Ankadimbahoaka. Mangataka izy ireo ny hitsaharan’ny asan’ireo CIR, Cellule d’Intervention Rapide, misy mantsy ny olana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpamily,ka tapaka tamin’izany fa ahato hatreto ny asan’ny CIR araka ny fandaminana noraisin’izy ireo.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 avril 2016 20:36
    • Sary Njaka

    Anosy: Lozam-pifamoivoizana

    Teratany sinoa nitondra moto no naratra mafy noho ny fifandonana tamin'ny fiara iray tetsy Anosy io atoandro io, efa tsy atahorana anefa ny fahasalaman'ity farany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 avril 2016 11:32
    • Photo: fr.africatime.com

    Fitaterana : Handray andraikitra ny mpanolotsain’ny tanànan’i Mahajanga

    Hivory tsy ara-potoana mandritra ny telo andro, manomboka amin’ny talata 26 aprily izao ny mpanolotsain’ny tanànan’i Mahajanga, hamerina handinika ny didim-pitondrana mamaritra ny hetra sy haba aloan’ireo tompona fiara mpitatitra miasa ao Mahajanga tampon-tanàna.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 avril 2016 12:03
    • Sary nomena

    Analakely: Feno miaramila

    Misy ny fikasana haneo hevitra ankalamanjana, fa ny miaramila no mameno an'ny Analakely.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 avril 2016 21:34

    Fitaterana : Fandaminana vaovao ao Mahajanga

    Nametraka lamina ho fanatsarana ny lafiny fitaterana zotra rezionaly sy suburbaine ireo tomponandraikitra. Tsy maintsy hanao fanamiana mitovy avy ireo mpikambana ao amin'ny kaoperativa eny aminy tobim-piantsonana. Noferana ho dimy ihany koa ny isan’ireo mpikambana ao aminy biraon'ny kaoperativa iray, ary tsy maintsy hita eny ambozonan'ireo mpanera kosa etsy andanin'izay ny marim-pamantarana na ny “badge” hanamarinana azy ireo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 avril 2016 21:32

    Manakara : Nofantsihin'ny FRAM ny biraon'ny DREN

    Nofatsihin’ireo mpampianatra FRAM ny varavaran’ny biraon’ny Foibem-paritry ny fanabezam-pirenena (DREN) Vatovavy Fitovinany nandritra ny hetsika nataon’izy ireo androany. Norovitin’izy ireo ihany koa ny ankamaron’ny antotan-taratasy tao amin’ny birao, ho fanoherana ny fandraisana mpampianatra ho mpiasampanjakana mifono politika.
    Lire la suite ...
  • Vohémar
    Vohémar
    • mercredi, 20 avril 2016 21:22
    • Sary Sobika Vohémar

    Vohémar : 800 Ariary ny kapoakam-bary

    Niakatra tampoka ho 800 Ariary ny kapoakam-bary nanomboka ny maraina teo, raha mbola 600 Ariary izany omaly. Etsy ankilan’izay anefa dia sarotra izao ny mahita vary ao Vohémar. Raha araka ny fanadiadiana natao tamin’ireo mpivarotra vary dia vokatry ny faharatsian’ny toetr'andro, noho ny rivodoza FANTALA, ka tsy niasa ireo sambokely mpitatitra vary. Ny lalam-pirenena faha-5A, Ambilobe-Vohémar moa ratsy dia ratsy amin’izao. Velon-taraina ny vahoaka saingy tsy afa-manohatra.
    Lire la suite ...
  • Jiolahy eny tsaboina eny amin'ny hopitaly, Kiosk Mvola
    Jiolahy eny tsaboina eny amin'ny hopitaly, Kiosk Mvola
    • mercredi, 20 avril 2016 12:52
    • Sary Sobika Tsiroanomandidy

    Tsiroanomandidy Atsimotsena: Fanafihana mitam-piadiana

    Tokony tamin'ny 12 ora alina ny talata 19 aprily dia nisy andian-jiolahy 8 nanafika ny Kiosk Mvola tao antampotananan'nyTsiroanomandidy, teo Antsimotsena ampitan'ny Lapan'ny Tanàna. Vola 600.000 ariary tavela tao amin'ilay toeram-pivarotana no lasa, niaraka tamin'ny téléphone amidy 52. Tonga tsy ela ny polisy ka dia nirefodreftra ny fifamalian'ny basy. Nihorohoro tokoa ny mponina noho ny paobasy tsy niato. Voa ny jiolahy iray ary tsaboina eny amin'ny hopitaly amin'izao. Io farany no nanoro ireo namany ka mbola hifampitadavana amin'izao.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 avril 2016 20:16
    • Sary Njaka

    Fitokonana: Tsy neken'ny Greffier ny fanerena nataon'ny Procureur

    Mbola mitokona hatrany ireo Greffier eo anivon'ny Fitsarana, raha nomen'ny Procureur didy fa miverina miasa avokoa izy ireo. Tsy manaiky izany anefa izy ireo fa tsy maintsy mihamafy hatrany ny hetsiky mandra-paha voavaha ny olana.
    Lire la suite ...
Page 278 sur 328