Tselatra

    • lundi, 13 août 2018 11:58

    Rakotovao Rivo: Manankiana ankolaka an’i Andry Rajoelina

    Aleo ny safidin’ny vahoaka no hitsara fa hain’ny olona ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary, hoy ny fiohan’ny Antenimierandoholona Rakotovao Rivo manoloana ireo kandida filoham-pirenena sasany mihazakazaka mitety faritra milaza fa mampahafantatra ny vinanasany. Mila manara-dalàna isika, hoy izy fa misy lalàna eto fa raha olona mieritreritra hirotsaka hofidina nefa izao sahady dia tsy manara-dalàna dia ho very ity firenena ity.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 13 août 2018 11:23
    • Sary Net

    Bekopaka: Hakaton’ny vahoaka ny fidirana ny Tsingy

    Hisy hetsi-bahoaka hotarihin’ireo Ben’ny Tanàna manodidina ny Tsingin’i Bemaraha, ao Bekopaka amin’ny zoma 17 aogositra 2018 ho avy izao, araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanànan’i Bekopaka, Francklin Miandrizoky. Ela nandeferana ny vahoaka izay mahatsiaro tsy misitraka ny tombontsoa amin’ny fisian’io faritra arovana izay mahasarika mpizahantany vahiny aman’aliny isan-taona io. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 13 août 2018 11:16

    CEPE 2018: Miisa 551 655 ireo kandida hisantatra fanadinam-panjakana

    Hotanterahina rahampitso talata 14 aogositra 2018 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinana CEPE (Certificat d'Etudes Primaires Elémentaires).  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 août 2018 20:06
    • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

    Alaotra Mangoro: Hary fitaovana ny dahalo

    Basy miisa valo, miaraka amin’ny bala, no saron’ny miaramila avy ao Toamasina nandritra ny fampandriantany nataon’izy ireo tamin’ireo faritra roa mifanila dia Alaotra Mangoro sy Betsiboka nandritra ny enim-bolana. Basy Kalachnikov ny telo tamin’ireo, Mas36 ny roa, ary iray avy ny basy “calibre 12”, “fusil à pompe” ary basy poleta. Fitaovam-piadiana fampiasan’ny mpitandro ny filaminana avokoa ireo tra-tehaka teny ampelan-tanan’ny dahalo ireo.    
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 août 2018 20:04

    Lakana rendrika: Niampy iray ireo razana hita

    Hita tamin'ny 3 ora tolakandro teo ny vatana mangatsiakan'ilay ilan'ny zaza kambana maty an-drano tamin'ny lakana dobo omaly teny amin'ny manodidina an'i Katsepy-Mahajanga. Zaza 8 taona sy lehilahy iray manodidina ny 38 taona no tsy mbola hita hatramin'izao.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 août 2018 15:58

    DREN SAVA: EPP tokana no hany nahavita “examen blanc CEPE”

    Ny EPP Maherifody Antalaha irery ihany, amin’ireo EPP miisa 1300 mahery amin’ny sekolim-panjakana ato amin’ny DREN SAVA no hany nahavita fanadinana andrana CEPE. Hotanterahina amin’ny talata 14 aogositra 2018 izao ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny taom-pianarana 2017-2018.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 12 août 2018 15:54

    Zandary namotsotra dahalo: Nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjimaika

    Natolotra ny Fampanoavana amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antalaha ny marainan’ny sabotsy 11 aogositra 2018, ilay Zandary milanja galona “Hors classe” voatondro ho namotsotra dahalo raindahiny antsoina hoe : Jacquinot. Nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjimaika moa izy, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Ny sabotsy 4 aogositra 2018 ity dahalo ity no voasambotry ny Fokonolona ary natolotra ny Zandary; ny ampitson’io anefa dia votsotra ary niteraka savorovoro teto Sambava. Hita faty, tsy nisy rojovy, teto Sambava ny marainan’ny alakamisy 9 aogositra 2018 moa ilay dahalo, izay tsy nahazoam-panazavana ny antony mariny nahafaty azy.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 11 août 2018 22:09
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Olona 6 maty dobo an-dakana

    Nitrangana loza an-dranomasina mahatsiravina indray taty Mahajanga io hariva io. Olona enina no namoy ny ainy vokatr'izany; zazakely ny telo ary renim-pianakaviana ny telo hafa. Tsy hita popoka kosa ny olona telo hafa, zaza ny roa ary lehilahy ny iray. Avotra soaman-tsara ny mpandeha 11 hafa niaraka tamin'ity lakana dobo ity. 20 ny mpandeha tamin'ity lakana manana anarana hoe MAEVADIA ity, tsy fantatra mazava ny toerana niaingany satria tsy taty amin'ny sisin-dranomasin'i Mahajanga tampon-tanana. Hihazo an'i Soalala kosa Izy ireo, any amin'ny tanàna antsoina hoe Maroalika.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 août 2018 20:19

    Fifidianana 2018: Niampy telo ireo kandida nanatitra taratasy firotsahan-kofidiany

    Dr Jules Étienne Rolland (Madagasikara Fivoarana), Rasolofondraosolo Zafimahaleo dit Dama Mahaleo (Manajary Vahoaka) ary Rabary Andrianiaina Paul (MIASA). Ireo no kandida telo nanatitra antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana androany. Raha efa samy nanao fanambarana fa ho kandida iretsy roa voalohany dia ity fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana androany ity no namaly ny ankamantatra fa ho kandida tokoa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary ary hamafisiny amin'ny horonantsary fohy ao amin'ny pejy fesibokiny izany. Fito izao no nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana nanomboka ny 1 aogositra. Amin'ny 21 aogositra 2018 amin'ny 5 ora hariva ny fara-fandraisana dosie eny Ambohidahy.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 août 2018 13:53
    • Sary Net

    Dr Jules Etienne Rolland: Tonga nametraka ny ampahan’ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny HCC

    Androany zoma 10 aogositra misandratr’andro ity minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina tao anatin'ny governemanta Kolo Roger ity, sy ny “mandataire” no tonga nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy. Manana hatramin’ny 21 aogistra amin’ny 5ora hariva ity kandidan’ny antoko MAFI (Madagasikara Fivoarana) ity hamenoany ny dosie tsy feno. 15 isa ireo antontan-taratasy ilaina, ka atao dika anakiroa miampy ny lisitr’ireo taratasy rehetra, mandrafitra ny dosie firotsahan-kofidiana ho an’ny fifidianana filoham-pirenena.    
    Lire la suite ...
Page 3 sur 312