Tselatra

    • vendredi, 17 mai 2019 20:43
    • Sary nomena

    Bekopaka: Fiara nitondra mpizahatany voatafika

    Tsy nisy ny aina nafoy fa vehivavy iray voatifitra ka naratran'ny bala nisafo ny lohany, ary fiara 4X4 iray marika Toyota no vaky ny fitaratra roa aoriana izay novakian'ireo dahalo, nakany ny entana tao anaty fiara. Norobain’ireo olon-dratsy miisa 20 mahery, izay tanora kely ny ankamaroany, ny zavatra tao anaty fiara, toy ny finday, fakantsary ary vola rehetra tany am-balahan'ireo tao anaty fiara.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 mai 2019 18:58

    Maintirano: Lietnà iray voatifitry ny dahalo teo amin’ny lohany

    Nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo, androany maraina, no nahavoa an’ity lietnà ity, tany ambanivohitr’i Maintirano. Nalaina haingana tamin’ny helikoptera izy, nakarina aty Antananarivo hotsaboina, araka ny fanazavan’ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Richard.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 mai 2019 15:28
    • Sary nindramina

    Toamasina: Voasambotry ny Polisin’ny FIP ireo mpivarotra sy mpidoroka « héroïne »

    Tovolahy vao herotrerony miisa 05 mpitsindrona « héroïne » no saron’ny FIP Toamasina omaly alakamisy 16 mey. Nahitana diana tsindrona maro ny tanan’izy ireo. Vidina 80 000 Ar ny iray grama. Manao tsipaipaika izy ireo ividianana ilay zavamahadomelina mahery vaika, dia ifampizarana izay azo. Tratra tany koa ireo kojakoja nampiasain’izy ireo amin’ny fitsindromana an’ilay « héroïne » sy kojakoja sy ny tambavy fampidinana ny heriny raha sendra mamo loatra.Voasambotra ihany koa ny mpivady fividianan’izy ireo ny « héroïne ». Sady mpivarotra no mpitsindrona ihany koa ilay rangahy. Olona maro mpampiasa io zavamahadomelina mahery vaika io no mbola karohina eto Toamasina amin’izao fotoana izao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 mai 2019 15:24
    • Sary nindramina

    Mahajanga: Raim-pianakaviana nitsoraka tao ambany kamiao, maty tsy tra-drano

    Teo amin’ny toerana antsoina hoe : Plaque Barday Sotema no nitranga ny loza androany maraina. Tsy nisy nanampo ny nitsorahan’ity raim-pianakaviana ity tao ambany kamiao sendra nandalo. Famonoan-tena no fahitan’ny manodidina azy. Fotoana fohy talohan’io dia voalaza fa efa nanindron-tena tamin’ny antsy ilay raim-pianakaviana no nisy nananakana kinanjo io nitsoraka tao ambany kamiao io. Maty tsy tra-drano izy, ary nipotsaka ny atidohany. Olona mipetra manodidina ny toerana nitrangan’ny loza izy.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 mai 2019 15:05
    • Sary: Polisy PPA4

    Mpanendaka Taxi-Be: Telo lahy voasambotry ny Polisy PPA4

    Andian-jiolahy manendaka sy mangalatra entan'ireo olona mandeha Taxi-Be zotra Ivato-Vassacos no tra-tehaky ny Polisin'Antaniavo Antohomadinika - Antananarivo (PPA4) ny alarobia 15 mey 2019, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro. Taxi-Be mandeha no nampidinin'izy ireo ilay entana ary nentin'izy ireo nitsoaka. Noho ny fitohanana dia mandeha mora ny fiara hany ka mora amin'izy ireo no nanao ny asa ratsy. Polisy nanao fisafoana no nahatsikaritra fa misy mamaha ny entan'ireo mpandeha, ny sasany manaraka sady mandray izay tafavoaka. Noraisim-potsiny teo ambony Taxi-Be ny iray, ny roa nitondra ny entana nitsoaka saingy voasambotra. Natolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Tribonaly Anosy androany izy telo lahy ireo.    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 mai 2019 14:02
    • Tahirin-tsary Gasypatriote

    RM 1 Analakely: Hametrahana « Centre Opérationnel »

    Hapetraka eo anivon'ny Faritany miaramila voalohany RM 1 Analakely - Antananarivo ny "Centre Opérationnel", araka ny nambaran'ny Général de brigade Rabenaivoarivelo Jean Claude. Ity "Centre Opérationnel" ity dia natao hisorohana izay mety ho krizy hitranga eo amin'ny firenena, hanaraha-maso sy handrindra ny asa avy amin'ny fototra mankany amin'ny ambaratonga ambony. Ny vaovao avoakan'ny "Centre Opérationnel" dia ahafahan'ny fibaikoana ny EMMO (Etat-Major Mixte Opérationnel) handray ny fanapahan-kevitra ilaina hiatrehana ny tsy fandriam-pahalemana.    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 17 mai 2019 09:03

    Bianco: 64 ireo kandida maniry te ho Tale jeneraly

    Niisa 64 ireo antotan-taratasin’ireo maniry ho Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) voarain’ny komity. Nifarana ny 13 mey teo ny fandraisana dosie. Ny 10 amin’ireo no handalo ny dingana manaraka, hanao « entretien individuel ». Ny 3 amin’ireo no haroso amin’ny filohan’ny Repoblika hifantenany izay hotendrena ho Tale jeneralin’ny Bianco.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mai 2019 17:25

    Tetibolam-panjakana 2019 nasiam-panitsiana: Miandry ny fankatoavan’ny HCC

    Nolaniana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny volavolana didy hitsivolana mifehy ny fandaniambolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2019, araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Ministera misahana ny toe-karena sy ny fitantanambola. Atolotra eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ity volavolan-dàlana ity, hijereny ny fifanandrifiany amin’ny lalàna fototra mifehy ny tany sy ny firenena ary havoaka hanankery ho azo ampiasaina avy hatrany aorian’izany. Heverina ho 5,2% ny fitombon’ny harinkarena faobe ho an’ity taona 2019 ity, ary tsy hihoatra ny 6,7% ny tahan’ny fiakaram-bidy amin’ny ankapobeny.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mai 2019 16:04

    Andry Rajoelina: Henjehina ireo rehetra nanodikodim-bolam-panjakana

    Nanome toromarika ny Filoham-prenena Andry Rajoelina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa tsy ekena intsony ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakana, ary tsy maintsy henjehina araka ny lalàna velona ireo rehetra nanodikodim-bolam-panjakana. Hiparitaka manerana ny faritra sy ireo seham-panjakana isan-tokony ny avy ao amin’ny Inspection Générale de l’Etat hijery akaiky ny fandaniana teo aloha sy ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ity teti-bola vao avy nodinihana ity.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mai 2019 16:02

    Boriboritany faha-4: Hanao fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana

    Hatao ny Sabotsy 18 mey izao io fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana io, hiarahana amin’ireo mpitsabo matihanina avy ao amin’ny « Direction de la Santé et Hygiène » eo anivon’ny tanànan’Antananarivo, ary hisitraka izany ireo tena marefo, araka ny nambaran’ny Delegen’ny boriboritany faha-4, Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel. Atao tsy ho ela koa, hoy ity farany, ny didimpoitra faobe maimaimpoana, izay iraisan’ny Boriboritany enina mandrafitra ny tanànan’Antananarivo.  
    Lire la suite ...
Page 17 sur 435