Tselatra

    • jeudi, 17 janvier 2019 16:49

    Fianianan’ny filoha vaovao: Navakavakahana ireo mpikambana amin’ny andrimpanjakana nomena fanasana ?

    48ora mialoha ny hanatanterahana ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika handraisan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena ny fianianan’ny filoham-pirenena vaovao Andry Rajoelina etsy Mahamasina amin’ny sabotsy 19 janoary 2019, dia miakatra ny feo fa betsaka ireo tsy nahazo fanasana amin’izany, eny fa na ireo mpikambana amin’ny andrimpanjakana sy olomboafidy aza. Voakasik’izany ireo andrimpanjakana andrin’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena (institutions émergentes garantes de la démocratie) dia ny CENI, CNIDH, HCDDED ary CFM. Hatramin’ny fotoana anoratana dia ampahany amin’ny mpikambana amin’ireny andrimpanjakana ireny no nandefasana fanasana. Misy parlemantera tsy nahazo fanasana. Hatramin’ireo raiamandreny mpitondra fivavahana aza misy tsy nahazo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 janvier 2019 14:10
    • Sary nomena

    Mangamila (RN3): Taxi-Brousse nivadika, miady aman’aina ny mpamily, vehivavy iray naratra mafy

    Teto Antranokambana, Kaominina Mangamila, Distrikan’Anjozorobe amin’ny lalam-pirenena faha-3 no niseho ny loza androany alakamisy tokony ho tamin’ny 2ora sy fahefany teo. Fiara Sprinter mpitatitra olona avy any Anjozorobe hiazo an’Antananarivo no nivadika teo ampisongonana fiara Sprinter hafa teo alohany. Vehivavy iray maratra mafy tamin’ireo olona folo teo ho eo tao anaty fiara. Tena voa mafy, miady amin’aina ihany koa ny mpamily. Nisy ratra fa maivamaivana ny hafa. Nentina niakatra hotsaboina any Antananarivo ireo naratra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 janvier 2019 14:04

    Fianianan’ny filoha vaovao: Niainga androany ny delegasion’i Manakara hanotrona

    Fiara sprinter 7 no niainga teto manakara ho any Antananarivo androany nitondra olona hanotrona ny lanonana hanaovan’ny filoha vaovao Andry Rajoelina fianianana eo amin’ny kianjabe Mahamasina amin’ny sabotsy 19 janoary 2019 izao.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 janvier 2019 12:15

    CPI: Nahantona indray ny famotsorana an'i Gbagbo

    Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny zava-nisy fa dia fantatra indray izao fa nahantona indray ny famoahana an'i Filohan'ny Côte d'Ivoire raha nahazo famotsorana izy ny talata, ary nolavin'ny fitsarana omaly alarobia 16 janoary ny fampakarana nataon'ny fampanoavana. Nisy fampakarana hafa indray raha ny voalaza.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 janvier 2019 23:00

    Masay : Sinoa voatafika tao anaty fiara, lasan'ny jiolahy ny vola

      Teo amin'ny "casseur de vitesse" voalohany raha avy any Ankorondrano hiazo an'Andranobevava Antananarivo faha-5 no nosakanan'ny jiolahy nitondra scooter ny fiara nitondra sinoa vavy ny tolakandro teo, nanodidina ny dimy ora hariva. Nambanan'ny jiolahy basy mba hamoha ny varavarana ny mpamily, rehefa tsy nanatanteraka dia novakian'ireo jiolahy ny fitaratry ny fiara nisintonana ny poketra teny ampofoany sy ny kitapo nisy ny vola tao aoriana. Efa dila ireo jiolahy tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Polisy teny an-toerana.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 janvier 2019 22:48

    Paraky-Namontana : Épicerie efatra nasesin'ny jiolahy dimy mitam-basy novakiana

    Napoakan'ny jiolahy in-dray mandeha ny basy kalaky teny amin'izy ireo. Nitsoaka nanavotr'aina ny olona teo Andrefan'i Mananjara (Paraky), Boriborintany faha-4 Antananarivo ny hariva teo tokony ho tamin'ny 7ora sy fahefana. Nanapoaka basy poleta in-telo indray ireo jiolahy nampihorohoroana ny olona. Nandritra izay no nanafihan'izy ireo toeram-pivarotana iray. Niditra naka ny vola, telefaonina sy izay voarain'ny tanan'izy ireo ny telo lahy, ny roa kosa niambina tety ivelany. Vita ny teo dia nandeha tongotra niazo an'i Namontana-Boriborintany faha-4 ireo jiolahy. Toeram-pivarotana miisa telo hafa ihany koa no nasesin'izy ireo norobaina. Tonga teny an-toerana ny polisin'ny FIP taorian'izay.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 janvier 2019 21:14
    • Sary nindramina

    France: Claude Guéant tanakavanan'i Sarkozy voaheloka higadra heritaona

    Nanao fampakarana hatrany ity minisitry ny atitany tanankavanan'i Filoha Frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, tamin'ny raharaha fanodikodinam-bola fony izy sekretera jeneralin'ny présidence, fa nilatsaka ny didy tsy azo ivalozana intsony, midoboka heritaona. Tamin'ny 2013 dia nahatrarana vola 500 000 Euro tao amin'ny kaontiny amin'ny banky, noahiana fa mpanam-bola saodianina no nanome io vola io, nefa izy nilaza fa vidina osodoko.Misy ihany koa nahatrarana fampiasana lelavola tokony ho karaman'ireo mpanao fanadihadiana sy mpanara-maso ny asan'ny polisy, nefa nifampizaran'ny kabinetran'i Filoha teo aloha Nicolas Sarkozy. Any Frantsa moa ny sazy latsaky ny 2 taona dia azo alamina ny fomba hitazonana azy, tsy voatery hiditra ny fonja. (Sary nindramina - Claude Guéant eo ankavian'i Sary Kadhafi)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 janvier 2019 18:11
    • Sary nindramina

    Zimbabwe: Raikitra ny sakoroka vokatry ny fiakatry ny vidi-tsolika, 3 no maty

    Nanomboka ny alatsinainy 14 janoary teo no niakatra avo roa heny ny viditsolika any Zimbabwe. Tsy niandry ela ny olona fa avy dia nidina an-dalambe nanao fihetsiketsehana. Nitsangana ny barazy teny ampovoan-dalana, nirehitra ny kodiarana. Namaly ireo mpitandro ny filaminana, tao ny nampiasa bala tena izy, raikitra ny tora-bato, ary nisy polisy tratran'ny fitsaram-bahoaka tamin'ny tora-bato. Zambabwe moa dia tao anatin'ny firenena mahantra indrindra teo amin'ny fitondran'i Robert Mugabe izay noterena hametram-pialana, nanome ny toerany an'i Emmerson Mnangagwa, ary voafidy 1er tour dé vita taty aoriana, izay nampanantena ny famoahana aingana ny firenena ao anatin'ny krizy ara-toe-karena fa hatreto dia mitotongana hatrany, ka na ny devise dollar aza dia tsy hita eo amin'ny tsenam-bola intsony. Tsy misy menaka, mofo, siramamy ary fanafody intsony ny toerana maro.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 janvier 2019 18:01

    CPI: Votsotra i Laurent Gbagbo

    Tsy neken'ny Fitsarana ady heloka iraisam-pirenena ny fitazomana an'i Laurent Gbagbo sy Charles Blé Goudé, fa nangataka kosa ny Fitsarana ny hanomeza-toky ny hiverenana eo anivon'ny fitsarana raha misy ilana azy ireo. Afaka avy hatrany izany ny filohan'ny Côte d'Ivoire teo aloha.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 janvier 2019 17:17
    • Sary nindramina RFI

    CPI: Nanao fampakarana ny didy mamoaka an'i Laurent Gbagbo ny fampanoavana

    Omaly dia novotsoran'ny Fitsarana ady heloka iraisam-pirenena ny Filoha teo alohan'ny Côte d'Ivoire, Laurent Gbagbo sy ny minisitry ny tanora teo aloha Charles Blé Goudé, rehefa nigadra efa ho 7 taona tany La Haye. Tsy ampy ireo porofo anenjehana azy ireo hoy ny fitsarana. Avy hatrany anefa dia nanao fampakarana ny Fampanohavana, ka nangataka ny famotsorana vonjy maika, ka tazonina amin'ny toerana arovana, ary tsy omena pasiporo (résidence surveillée). Mandinika momba izany ny tribonaly ary amoaka didy tsy ho ela. Ireo mpomba ny Laurent Gbagbo any Côte d'Ivoire moa dia manaraka akaiky toe-draharaha.Fantatra koa anefa fa misy didim-pitsarana tsy natrehan'i Laurent Gbagbo navoakan'ny Tribonaly Côte d'Ivoire momba azy, ka raha avy dia mody any izy, dia ho raisim-potsiny.    
    Lire la suite ...
Page 14 sur 380