Tselatra

    • mercredi, 07 novembre 2018 18:01

    Manakara ville: Manomboka ny fanisam-bato

    Mitarika lavitra ny 13
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 novembre 2018 16:12
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Bevonotra-Sambava: Lesoka ny lisi-pifidianana

    Nitabataba ary nitaraina ny Ben'ny Tanàna androany raha iny handeha hifidy iny kanjo tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana ny anarany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 novembre 2018 15:49
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Mizotra ampilaminana ny fifidianana

    Nisy ihany ny lesoka madinidinika toy ny tao amin’ny Fokontany Antaimby, izay efa tamin’ny 7ora35mn vao nisokatra ny fifidianana noho ny antony fahataran'ny fitaovana sy ny fikarakarana amin’ny ankapobeny. Tsy vitsy ihany koa ny niverina, tsy afaka nifidy intsony, satria nahazo kara-pifidianana nefa ny efitrano voasoratra eo amin’ny karatra dia tsy mifanandrify amin’izany, ka lasa nahasorena azy ireo ny fivezivezena etsy sy eroa, teo ihany koa ireo mpifidy niezaka tonga aloha saingy noho ny fahataran'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana dia lasa. Mbola maro ireo izay tsy mahalala ny fampiasana ny bileta tokana ka eto vao mampianatra azy ireo ny tompon’andraikitra amin’ny birao fandatsaham-bato izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 novembre 2018 15:25
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga I: Saika tara fanombohana avokoa ny fandatsaham-bato

    Nisy mihitsy ireo tara fanombohana hatramin'ny 45 minitra, izany hoe tamin'ny 7 ora latsaka fahefany vao niroso tamin'ny fifidianana, toy ny teny amin'ny Fokontany Tsararano Ambany, nanana ivon-toeram-pifidianana teny amin'ny École privée Alice Valide. Tara be ny fanateran'ny CENI ny fitaovana ampiasaina ao amin'ny birao fandatsaham-bato, ka taorian'izay vao niroso tamin'ny fandaminana ny mpikambana. Hatramin'izao ora anoratanay izao, dia mbola betsaka ny olona misava ny kara-pifidianana amin'ireo birao manerana an'i Mahajanga. Anisan'ny lesoka ihany koa ankoatra ny tsy fahatafidiran'ny ankamaroan'ny mpifidy ao anaty lisitra, mifangaro any amin'ny Fokontany ny karatry ny mpifidy ka mampanano-sarotra ny tompon'andraikitra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 novembre 2018 14:06
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Milamina ny fizotry ny fandatsaham-bato

    Saika nisokatra tamin'ny 6 ora maraina avokoa ny biraom-pifidianana miisa 159 eto an-toerana. Mavitrika vao maraina ny mpifidy raha ny hita teny amin'ny birao-pifidianana nolalovana, saingy nisafidy ny hanefa izany adidy izany any amin'ny misandratr'andro kosa ireo mpivarotra eny amin'ny tsenan'ny tantsaha. Somary mangina ny tanàna amin'ny ankapobeny ary tazana mivezivezy ireo mpanaramaso ny fifidianana avy any ivelany. Kisary matetika miseho tamin'ny birao nanangonana vaovao ny ahiahy momba ny antsapaka izay nahafahana nametraka ireo olona roa manao sonia ambadiky ny biletà tokana. Misy amin'izy ireny no naverina natao ka najanona tsy nampiasaina intsony mihitsy ny fehezana bileta tokana 2 izay nosoniavin'ny solontenan'ny birao-pifidianana araky ny toromarika mba ialàna amin'ny disadisam-pifidianana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 07 novembre 2018 10:32
    • Sary Gasypatriote

    Madagasikara: Fifidianana filoham-pirenena

    Tanterahina amin'ity alarobia 7 novambra 2018 ity, manerana ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny fifidianana filoham-pirenena. Mpifidy 10 tapitrisa eo no antsoina hanefa ny adidiny amin'izany. Nisokatra tamin'ny 6ora maraina ireo biraom-pifidianana miisa 24.852 ary hikatona amin'ny 5ora hariva. Miisa 36 ireo kandida mifaninana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 novembre 2018 09:21

    Tambin-karama ho an'ireo mpikirakira fifidianana

    Ireo tambin-karama ho an'ireo mpikirakira fifidiananaIsan'izany ny sefo fokontany izay mandray 250 000 ariary isaky ny fotoam-pifidianana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 novembre 2018 06:27

    Tapitra 12ora alina ny fampielezan-kevitra

    Tsy fitandremana sa tsy fahaizana ?  Efa hoe tapitra tamin'ny 12ora alina ny fampihelezan-kevitra, nefa 5h54 mbola misy mailing SMS ihany. Tandremo lahy sao dia zavatra kely no ampienjera.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 novembre 2018 18:52

    Ambondromamy

    Ambondromamy ny nofo mangatsiakan'i Mgr Victor io tolakandro io. Nandalo tao amin'ny Ekar.  Tsy ela dia ho tonga Mahajanga.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 novembre 2018 14:42
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Zaza tsy ampy taona namono nahafaty mpianatry ny Oniversite

    Voasambotry ny Polisy ireo efa-dahy tompon'antoka nahavanon-doza ary nandray anjara mivantana tamin'ny famonoana ilay tovolahy mpianatry ny oniversiten'i Mahajanga teny amin'ny bloc administratif Ampisikina ny 21 oktobra lasa teo. Raha tsiahivina ny zava-nisy, ny harivan'io 21 oktobra io, dia niaraka nanao connexion internet avy amin'ny Wifi an'ny sampandraharaha iray ao amin'ny Bloc i Jimmy sy ny namany no nisy enin-dahy (6) nanendaka ny findainy ary nanindrona antsy azy, izay nitarika tamin'ny fahafatesany. Tsy mbola ampy taona ny roa lahy amin'ireto jiolahy ireto.
    Lire la suite ...
Page 11 sur 343