Tselatra

    • lundi, 16 septembre 2019 14:26
    • Sary MDN

    Manamboninahitra andiany faha-40: 28 nisafidy ny Tafika Malagasy, 27 nisafidy ho Zandary

    Nisafidy ny Tafika Malagasy ny 28 tamin’ireo manamboninahitra andiany faha-40, nivoaka avy ao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe, ary nisafidy ho Zandary kosa ny 27. Natao ny alakamisy 12 septambra 2019 teo ny fanamafisana ny safidin’izy ireo. Nanambara ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’ny lahateniny fa « tokony hanana fahendrena, fitondrantena mendrika, fahaiza-manao amin'ny maha-miaramila ny tsirairay, ary indrindra ny fanajana ny Ambaratonga isan-tsokajiny ». (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 22:54
    • Sary nindramina

    Tonizia: Nodimandry androany ny vady navelan’ny filoha Béji Caïd Essebsi

    83 taona i Chadlia Caïd Essebsi izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Androany 15 septambra 2019, andro anatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena alohan’ny fotoana ao Tonizia, hifidianana izay handimby an’i Béji Caïd Essebsi, nodimandry tamin’ny 25 jolay 2019 teo, no maty i Chadlia Caïd Essebsi. Ny zanany no nanambara ny vaovao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 22:44
    • Sary nindramina

    Fanadinana BEP: Mpiadina miisa 8 577 no hiatrika fanadinana manomboka rahampitso

    Hanomboka ny alatsinainy 16 septambra 2019 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinana Brevet d’Étude Professionnel (BEP), ary hitohy hatramin’ny alakamisy 19 septambra 2019. Miisa 8 577 ny kandida voasoratra anarana manerana ny Nosy, mitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 72. Ho avy etsy amin’ny Lycée Technique Professionnel de Génie Civil Mahamasina ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy fampianarana teknika ary arak’asa, Volahaingo Marie Thérèse amin’ny fanombohan’ny fanadinana rahampitso maraina.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 17:20

    Zandarimariam-pirenena: Mankalaza ny faha-60 taonany ny toby Antranobozaka-Antsiranana

    Hitondra ny anarana "Toby Jeneraly Randrianasoavina" ny Tobin’ny Zandarimaria Antranobozaka Antsiranana amin’izao faha-60 taonany izao. Hatao amin’ny 21 septambra 2019 ny lanonana mahakasika izany.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 17:11

    BEPC – Cisco Tana Ville: Hivoka amin’ny faran’ny herinandro ambony ny valim-panadinana

    Mamarana ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ny ato amin’ny fari-pifidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra (Cisco Tana Ville) rehefa nanomboka izany tamin’ny alakamisy 12 septambra 2019. Raha ny tetiandro, dia hanomboka rahampitso alatsinainy ny fampidirana ny naotin’ny mpiadina anaty solosaina, arahin’ny fanamarinana. Any amin’ny faran’ny herinandro ambony any no hivoaka ny voka-panadinana BEPC ho an’ny Cisco Tana Ville. Ny taranja fizika simia no voalaza fa nanahirana ny mpiadina, misy mihitsy mpiadina tsy niatrika taranjam-panadinana. Rehefa mahazo salanisa takiana hahafahana BEPC ny mpiadina iray dia afaka, na tsy niatrika taranjam-panadinana aza.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 12:44
    • Sary nindramina

    Tonizia: Mifidy izay ho filoham-pireneny

    Androm-pifidianana ity alahady 15 septambra 2019 ity any Tonizia. Tanterahina anio tontolo andro ny fifidianana filoham-pirenena. Miisa 24 ireo kandida mifaninana ho amin’ny seza tokana. Izay voafidy no handimby an’i Béji Caïd Essebsi, nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-92 taonany tamin’ny volana jolay 2019 teo. Manodidina ny 12 000 ireo mpanaramaso ny fifidianana miparitaka manerana an’i Tozina amin’ity andro ity. 7 tapitrisa ireo mpifidy, 13 000 ny isan'ny biraom-pifidianana ao an-toerana, 302 ny isan'ny biraom-pifidianana any ivelany hanomezana zo hifidy ireo 400 000 mpifidy monina any amin'ny firenena 44 maneran-tany, ary andrasana ny talata ho avy izao ny vokam-pifidianana raikitra.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 septembre 2019 18:59
    • Sary nindramina

    Faharo Ratsimbalson: Nirotsaka ho kandida Ben’ny tanàna ao Sorombo - Manakara

    Kandida narotsaky ny vovonana politika IRD (Isika rehetra miaraka @ Andry Rajoelina) ao amin’ny Kaominina Sorombo, Distrikan’i Manakara i Faharo Ratsimbalson, amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra 2019. Manamboninahitra ambony tao amin’ny Tafika i Faharo Ratsimbalson. Efa misotro ronono izy ankehitriny. Efa solombavambahoaka, ary efa Ben’ny tanàna tao Belo-sur-Tsiribihina, ary mpikambana tao amin’ny antoko RPSD Vaovao tamin’izany. Lehiben’ny Faritra voalohany notendrena tao Menabe i Faharo Ratsimbalson tamin’ny 2009. Kandida filoham-pirenena tamin’ny 2013. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 septembre 2019 18:46

    BEPC 2019: Efa mivoaka ny valim-panadinana amin’ireo faripiadidim-pampianarana sasany

    Raha mbola anatin’ny fitsarana taratasim-panadinana BEPC ny ankamaroan’ireo faripiadidim-pampianarana sy ivotoeram-panadinana, dia efa misy kosa vitsivitsy efa namoaka valim-panadinana. Efa namoaka valim-panadinana ny CISCO Ikalamavony ao amin’ny DRENETP Matsiatra Ambony. CISCO Faratsiho ao amin’ny DRENETP Vakinankaratra. CISCO Iakora ao amin’ny DRENETP Ihorombe, ary CISCO Ambatomainty ao amin’ny DRENETP Melaky.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 septembre 2019 22:15

    Ambatoboeny: Telo ireo kandida nirotsaka ho Ben’ny tanàna

    Miisa telo ny kandida nirotsaka ho Ben’ny tanàna eto amin’ny Kaominina ambonivohitra Ambatoboeny. Rakotonadrasana Jean Valérien, Ben’ny tanàna amperin’asa, kandida tsy miankina ; Toussaint, kandidan’ny IRD (Isika Rehetra miaraka@ Andry Rajoelina) ary Solo Boucher, Ben’ny tanàna teo aloha, kandida natolotry ny antoko AVI (Asa Vita no Ifampitsarana).  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 septembre 2019 19:20
    • Sary nomena

    Mahabo-Menabe: Nanomboka ny fitsarana BEPC rehefa nampanantenaina « vacation 2018 » ireo mpampianatra

    Nidina teto Mahabo ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika sy arak’asa, na DRENTP Menabe, androany zoma 13 septambra 2019, nifampidinika tamin’ny mpampianatra, namahana ny olona nampikatso ny fitsarana ireo taratasim-panadinana BEPC, noho ny tsy mbola naharaisan’ireo mpitsara ny tambinkaramany (vacation) taona 2018. Nampanantena ny DRENTP fa haloa io « vacation » io. Nanaiky nitsara ny taratasim-panadinana ireo mpampianatra nanomboka ny tolakandro teo. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 464