Nicolas Dupuis: Laharampahamehany ny hampakarana hatrany ny lentan'ny baolina kitra Malagasy

  • mercredi, 15 janvier 2020 19:42
  • Sary nomena

« Consultant » na manampahaizana manokana miara-miasa amin'ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena i Nicolas Dupuis ankehitriny. Manana birao fiasany manokana etsy amin’ny lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny tenany, nanomboka ny talata 14 janoary 2020 .

Nambaran’i Tinoka Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, nandritra ny fanolorana io birao sy fitaovana hiasan’i Nicolas Dupuis fa noho ny ezaka goavana nataon'ity Mpanazatra ity dia tafiditra anisan'ireo sangany aty Afrika ny ekipam-pirenena Malagasy.

« Noporofoinao hoy Minisitra ny fitiavanao ny Barea, satria na dia teo aza ireo antso sy tolotra mampilendalenda avy amin'ireo tarika matanjaka, taorian'ireny vokatra manan-tantara tamin'ny CAN 2019 ireny, izay nahatafakatra an'i Madagasikara tany amin'ny ampahefa-dalana, dia tsy naharototra anao noho firaiketam-ponao amin'ireo mpilalao sy ny fankatoavanao ny fiangaviana ny tenanao hanohy ny asa maha mpanazatra, avy amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Fitiavana lehibe indrindra izany ! »

Ho fanamafisana ny ezaka vita ary, dia tsy hianona fotsiny amin'ny maha mpanazatra azy i Nicolas Dupuis fa hisahana koa ny fampandrosoana ny baolina kitra amin'ny ankapobeny, ny fampiroboroboana ny fiaraha-miombon'antoka eo amin'ny Fanjakana sy ny tsy miankina, ary koa ny fikarakarana ireo taninketsa any ifotony, hoy hatrany ny fanazavana, ho fanohizana ny fahombiazana azon'ny ekipam-pirenena Barea, ary koa tafiditra amin'ny fanatanterahana ny Velirano faha-13 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina : « Ny fanatanjahantena, hambompom-pirenena ».

Nohamafisin'ny Minisitra Tinoka Roberto fa tsy hikely soroka ny Ministera sahaniny, mba hitohy hatrany ilay hiakam-pandresena mahazatra ny mpitia baolina kitra rehetra manao hoe : Alefa Barea !

Raha nandray fitenenana i Nicolas Dupuis dia nanipika mazafa fa « hatao laharampahamehana ny fampiakarana hatrany ny lentan'ny baolina kitra Malagasy, sy fanampiana ny programanasan'ny Fitondram-panjakana amin'ny fananganana Sekolin'ny baolina kitra ho an'ireo katitakely ».

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.