Kitra: Notoloran’ny filoha « prime » mitentina 1 tapitrisa Ariary tsirairay avy ny Barea U20 vehivavy

  • jeudi, 26 décembre 2019 15:21
  • Sary nomena

Noraisin’ny filoha Andry Rajoelina tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra androany alakamisy 26 desambra ny Barea U20 vehivavy, izay nandrombaka ny medaly volamena teo amin'ny « Tournoi UFFOI 2019 » natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy.

Notoloran’ny fitondram-panjakana « prime » mitentina 1 tapitrisa Ariary tsirairay avy ireo mpilalao miaraka amin'ireo mpikarakara ara-teknika noho izao vokatra azo izao, izay sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara no nibatan’ny ekipam-pirenena vehivavy io amboara io.

Nisaotra ny filoham-pirenena amin’ny fanohanany ny taranja baolina kitra malagasy sy ny fanatajahantena amin’ny ankapobeny ny filohan’ny federasiona malagasy amin’ny baolina kitra, Raoul Arizaka Rabekoto.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.