Kitra – Amboaran’ny CAF: Fosa Juniors 2 # 0 RS Berkane

  • dimanche, 27 octobre 2019 22:20
  • Sary nindramina

Resin’ny Fosa Juniors Madagasikara tamin’ny isa 2 noho 0 ny RS Berkane avy any Maroc tamin’ny lalao savaranonando mandroso hahazoana tapakila hidirana anaty vondrona amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra 2019-2020.

Baolina matin’i Jean Yves teo amin’ny minitra faha-11, nampian’ny « Penalty » nodakan’i Baggio no nahazoan’ny Fosa Juniors ireo isa roa nitondra ny fandreseny androany, tamin’ny lalao notontosaina teo amin’ny kianjan’ny Cnaps Vontovorona.

Nahazo « Penalty » ihany koa ry zareo Maraokanina saingy voatohan’i Fabrice, mpiandry haraton’ny Fosa Juniors ny baolina ka tsy tafiditra. Manantombo hiatrehana ny lalao miverina ny Fosa Juniors.

Tonga nijery nivantana ity lalao androany ity teny Vontovorona ny filohan'ny kaonfederasiona ny baolina kitra, Ahmad.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.