Fanatanjahantena an-tsekoly: Ho ambohimpihaonana i Toamasina

  • samedi, 05 octobre 2019 11:26

Hotanterahana eto Toamasina ny 14 ka hatramin’ny 20 oktobra 2019 ny Lalao nasionaly amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly. Eo amin'ny 2 000 mahery ireo mpandray anjara, izay avy amin’ny sekoly miisa 130 manerana ny Faritra 22, andrasana eto an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana amin’izany.

Atletisma, baolina kitra, « basket-ball », « hand-ball » sy « volley-ball » ary « cross country », ireo no taranja hifaninanana mandritra izany.

Miara-mikarakara azy ity ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-tekinika sy arak’asa, sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.

Tanjona ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena an-tsekoly sy fanomezan-danja ny kolontsaina isam-paritra. Natao ihany koa hitiliana sy hitarafana sahady ireo mpilalao mendrika sy tokony hotrandrahana ho lasa mpilalao nasionaly.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.