Kitra: Fifidianana filohan’ny Federasiona Malagasy

  • samedi, 24 août 2019 11:37

Tanterahina ao Ifaty-Toliara anio 24 aogositra 2019 ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra. Miisa dimy ireo kandida mifaninana, dia Arizaka Rabekoto Raoul Romain, Mohamad Abdilah Aboudou, Andriamiasasoa Doda Nirimboavonjy, Rasoamaromaka Herilalaniaina ary Rakotomamonjy Neypatraiky André.

Izay voafidy eo no handimby ny toeran’i Ahmad, izay voafidy ho filohan’ny Kaonfederasiona afrikanina amin’ny baolina kitra (CAF). Ny Comité de Normalisation pour la Fédération Malagasy de Football no napetraky ny federasiona iraisam-pirenena hitantana vonjimaika ny rafitry ny baolina kitra malagasy nanomboka tamin’ny novambra 2018, rehefa tsy nety tontosa ny fifidianana filohan’ny FMF nokarakarain’ny vaomiera mahaleotena teo aloha.

Miara-tontosaina amin’ity anio ity koa ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny komity mpanatanteraky ny Federasiona malagasy ny baolina kitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.